Flash
Préc Suiv

Lahatenin-dRajoelina tao Vohipeno : « maro ny tanora mijoro sy sahy tahaka an’i Botovasoa »

Lahatenin-dRajoelina tao Vohipeno  : « maro ny tanora mijoro sy sahy tahaka an’i Botovasoa »

Hipetraka sy hisoratra eo amin’ny tantara. Anisan’ny nivoitra tamin’ny hafatra sy lahatenin’ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, tao amin’ny fiangonana katolika Vohipeno ny asabotsy teo, ny momba an-dramose Botovasoa Lucien, tokony ho fakan-tahaka. «Maro ny tanora sahy sy vonona hanara-dia ny nataony na vao 39 taona aza », hoy izy nanoloana ireo mpino kristianina marobe vory lanona tao amin’ity fiangonana nanovana batemy an-dramose ity. Namaly ny fanontanian’ny hafatry ny eveka ny tenany amin’ny filazana raha mbola misy ny tanora ho fakan-tahaka toa an-dramose Botovasoa Lucien. Anisan’ny nitondra fanampiana sy fanohanana ho an’ity fiangonana ity rahateo ny filohan’ny Tetezamita tamin’ny nandrakofana kapila (carreaux) ny ao anatiny raha simenitra izany teo aloha. « Tonga ny komity nanatona sy nangataka tolo-tanana ka nanolotra am-pitiavana izany izahay mivady », hoy ihany izy. Nampantena ny tenany fa hatsaraina koa ny eny amin’ny alitara sy ny otely mba hamirapiratra. « Ny homena sy hatsangana, atolotra am-pitiavana fa ankasitrahan’Andriamanitra  izany», hoy izy.

Diabe narahin’ny kristianina sy ny vahoaka

Niroso tamin’ny fitsidihana ny toerana namonoana an-dramose Botovasoa niaraka amin’ny evekan’Antsiranana, ny Mgr Ramaroson Benjamin, ny tenany avy eo. Anisan’izany ny tao amin’ny reniranon’i Matitana sy ny eo amin’ny lasapelina sy ny nandevenana ny sisan-taolan’ity nantsagana ho olontsambatra ity. Nialohavan’ny diabe nanodidina namakivaky ny tanànan’i Vohipeno izany, narahin’ireo kristianina sy ny vahoaka marobe, ankoatra ireo teny an-dalana sy anaty fiara namonjy izany fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana katolika izany. Nizotra tamim-pilaminana tanteraka avokoa izany rehetra izany.

Tsiahivina fa nigadona tao amin’ny seranam-piaramidina’i Vohipeno tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana ny filohan’ny Tetezamita, ny asabotsy io tamin’ny 11 ora sy sasany. Niara-dia aminy ny minisitra teo aloha, Yvettes Sylla, sy ny depiote isany, Razanamahasoa Christine sy Razafintsiandraofa Brunel ny tenany.

Nanakoako ny hira « Raha mifankatia isika… »

Nialoha izany ny fahatongavan’ny kardinaly avy atsy amin’ny Nosy Maorisy, ny Mgr Maurice Piat, sy ny evekan’ny diosezin’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon. Nitsena azy ireo ny avy amin’ny fivondronamben’ny eveka (Fem). Vory marobe teny an-toerana ireo kristianina sy ny vahoakan’i Vohipeno nitsena azy ireo. Nanamarika izany rehetra izany ny fiverimberenan’ny hira sy ny nampanakoako ilay hoe : « Raha mifankatia isika… » teny an-dalana sy tany am-piangonana ary koa tamin’ireo diabe nataon’ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina.

Ny iraka manokana aty Vohipeno, Synèse R.   

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique