Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Ho maina ny andro eto afovoan-tany, anio tontolo andro, araka ny filazana nataon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Manodidina ny 16°C ny maripana ambany indrindra raha 26°C ny ambony indrindra. Hiverina ny andian-drahona sy ny erika rahampitso ary hitohy ny alarobia. Hiseho ny erika ny tapany maraina fa hisava ihany izany rehefa avy eo, hidina kely manaraka izany koa ny maripana farany ambany.

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika amin’izao fotoana izao ka mampivadibadika ny toetry ny andro ao anatin’ny tontolo andro.

600 amin’izao fotoana izao ny isan’ny mpitsabo mpiasam-panjakana misahana ny fitsaboana ankapobeny sy ireo “specialiste”, araka ny tatitry ny sendikà nasionalin’ny mpitsabo mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Voalazan’ny filohan’ny sendikà, ny dokotera Ndatason Fréderic, fa efa nahazo vola 622 000 Ar isanisany ny mpitsabo, trosa ho an’ny taona 2010. Momba ny “indemnité” hafa, hiaraka hatomboka amin’ny fametrahana ny tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe izy ireny, hoy ny minisitra mpiahy.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique