Flash
Préc Suiv

Zazakely iray maty tany Talata Ampano : latsaka tao ambany tetezana ilay taksiborosy

Zazakely iray maty tany Talata Ampano : latsaka tao ambany tetezana ilay taksiborosy

Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona tao Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, omaly maraina. Taksiborosy iray latsaka tao ambany tetezana. Zazakely vao sivy volana iray namoy ny ainy, ampolony naratra…

Taksiborosy Sprinter ao amin’ny kaoperativa iray mampitohy an’Ambalavao sy Fianarantsoa ity nitsoraka tany ambany tetezan’i Talata Ampano, distrikan’i Vohibato Fianarantsoa ity, omaly tamin’ny 6 ora sy 30 mn maraina, teo amin’ny PK 430 +500. Olona miisa 32 no nentin’ilay taksiborosy avy any Ambalavao hihazo an’i Fianarantsoa. Zazakely iray sivy volana no namoy ny ainy raha mpandeha ampolony kosa naratra vokatry ny fianjeran’ny fiara tao anaty rano. Efatra no tena naratra mafy ka isan’izany ilay zazakely sivy volana. Nanao izay ho afany ihany ny mpitsabo, saingy namoy ny ainy izy nony tonga teny amin’ny hopitaly.  Araka ny fanazavan’ny mpamily, avy any Ambalavao hihazo an’i Fianarantsoa ity taksiborosy ity, kanjo izao tra-doza tampoka izao. Nisy lavaka teo ambony tetezana ka tafalentika tao ny kodiaran’ny fiara ka izay no nitarika ny fivadihan’ny fiara tao ambany tetezana. Ny lohan’ny fiara no nitsatoka voalohany tao anaty rano ka notatazan’ireo vatovato tao anaty rano. Mafy ny fianjerana satria misy vatovato ny renirano ao ambanin’ilay tetezana. Potika tanteraka ilay taksiborosy. Nanahirana ny famoahana ireo mpandeha tao anaty fiara satria tafalentika tao anaty rano ny lohan’ilay fiara. Ny fokonolona teo amin’ny manodidina no namoaka ireo mpandeha teo amin’ny  fitaritry ny fiara. Nentina namonjy hopitaly ireo naratra. Misy amin’ireo mpandeha sasany no tapa-tanana sy voa mafy teo amin’ny lohany noho ny dona tamin’ny fianjeran’ny fiara tao anaty rano.

Nilentika tsy hita intsony ilay taksiborosy…

Nifanampy tamin’ny fikarakarana ireo naratra ny zandary sy ny fokonolona. Nalefa haingana any amin’ny hopitaly ireo niharam-boina. Nisy ireo afaka nody avy hatrany rehefa nahazo fitsaboana raha mbola tazonina ao amin’ny hopitaly kosa ireo telo naratra mafy. Voalaza fa olona hamonjy tsena ao Fianarantsoa ny ankamaroan’ireo mpandeha tamin’ilay taksiborosy. Omaly hariva, tonga saika haka ilay Sprinter tao anaty rano ny tompon’ny fiara kanjo nilentika ao anaty rano ka tsy hita intsony ilay fiara. Soa ihany fa nalaky voavonjy ireo mpandeha fa raha tsy izany nilentika niaraka tamin’ny fiara.

Kamiao iray koa nivadika tany anaty lakandrano tao Sohisika, fokontany Kiva Ankazobe RN 4, afakomaly alina. Tao anaty fiolahana no nitranga ny loza satria tsy nahazaka ny havesatry ny entana ny fiara ka nivadika avy hatrany. Vokany, nivadika ilay kamiaobe. Naratra ny mpamily. Henjakenjana ihany ny fahasimban’ny fiara. Nentina haingana tao amin’ny toeram-pitsaboana ao Ankazobe ilay naratra mialoha ny nitondrana azy nihazo ny hopitaly HJRA. Avy aty Antananarivo saika hihazo an’i Mahajanga ity kamiao ity kanjo izao tra-doza tampoka izao.  Nidina teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ankazobe.

J.C

Les commentaires sont fermées.