Flash
Préc Suiv

Indray mijrey

Niato noho ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ny fampianarana ao amin’ny EPP sy CEG Ivongo, Cisco Ivohibe ao amin’ny Dren Ihorombe, tamin’ity herinandro ity. Saika nandao ny trano fonenany avokoa ny mponina noho ny fanafihan-dahalo sesilany. Hidina any an-toerana ny tomponandraikitry ny filaminana amin’ny herinandro ho avy ka hiverina hisokatra indray ny sekoly, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana.

Noho ny fitsokan’ny alizay matanjaka, mbola hitohy anio ny volon’andro ririnina ho an’ny afovoan-tany. Handrahona mety harahina erika ny toetry ny andro nefa hisava ihany izany rahampitso. Ilaina ny akanjo mafana indrindra ho an’ireo marefo amin’ny fahasalamana ary mila mitandrina koa ireo manana aretina mitaiza.

Les commentaires sont fermées.