Flash
Préc Suiv

Jadona tanteraka

Jadona tanteraka

 Tsy misy azo atao intsony eto. Ny HVM sy ny mpiara-miasa aminy ihany no manao izay tiany hatao. Jereo anie fa namoronana fety tsy hidiram-bola eny amin’ny Coliseum, ny 28 avrily ho avy izao hisomparana ny fankalazana ny jaobilin’ny tarika Rossy. Ity mpanakanto ity, tsy mba anisan’ireo solombavambahoaka Mapar namadika palitao rehefa tratry ny mena miraviravy. Any Mahajanga, hamoronana fanadihadihana tsy misy antony ny ben’ny Tanàna Randriantomanga Mokthar, izay voafidy tamin’ny anaran’ny Mapar ihany koa. Tsy nanaiky velively ny fanakanana ny fahatongavan- dRajoelina Andry tany an-toerana izy izay tsy navelan’ny préfet-n’i Mahajanga. Randriarimalala Jaona anefa, namory vahoaka teny Ankaraobato tsy nisy nandrara ary nivazavaza ny tenany fa ny mpanao politika maloto no matahotra “bulletin numéro 2”. Toy ny hoe madio tsy misy pentina ny lehilahy. Izy anie ka nanohitra izao fitondrana izao tany am-boalohany. Rehefa tratry ny teritery nataon’ny HVM, nivadi-dela sy palitao ka lasa mpanompo mahatoky an’Iavoloha. Aleo mialokaloka ao ambany elatry ny HVM mba tsy ho voakitikitika. Ny HVM izay antoko tsy hita fototra loatra.

Tsy nampiraika ny olona ilay “Rodoben’ny fisandratana” tao amin’ny lapan’ny fantanjahantena sy kolontsaina. Voasioka mihitsy Rakotovao Rivo raha vao iny handray fitenenana iny. Ahoana koa ireny kung-fu navela hidina an-dalambe tany Antsirabe ireny? Toa ho lasa milisy HVM tarihin’ny maître Rakotoarijaona Avoko hampihorohoro vahoaka atsy ho atsy. “Fanjakana kely ao anaty fanjakana”, hoy i Ampy Portos tamin’ny fotoan’androny. Miroso mankany amin’ny krizy politika ny firenena. Noho ny fikirizan’ny filoha am-perinasa sy ny tandapa maro hibodo fitondrana. Efa manomboka miakatra ny feo etsy sy eroa ka na ireo jeneraly misotro ronono aza, nifoha tamin’ny torimasony. Saingy tsy hihaino izany ny mpitondra fa mbola variana amin’ny zavatra hafa tanteraka.

Andrianjaka Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique