Flash
Préc Suiv

Moramanga : tratra ny vola sandoka amin’ny 10.000 Ar mitentina 8 tapitrisa Ar

Moramanga  : tratra ny vola sandoka amin’ny 10.000 Ar mitentina 8 tapitrisa Ar

Miparitaka ny vola sandoka. Antapitrisany maro ny tratra tany Moramanga. Tsy fantatra na omena an’iza, na saika atao inona ireo volabe ireo.

Vola sandoka miisa 818 nalain-tahaka tamin’ny 10.000Ar vaovao  mitentina 8.180.000 Ar no tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena tany Andaingo, distrika Moramanga, ny 5 avrily teo tamin’ny 2 ora sy sasany antoandro tamina lehilahy iray 54 taona.

Teo am-panaovana fisafoana amin’ny antoandro ny zandary any an-toerana ka nandalo teo amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, nisy lehilahy iray saika handray fiara ho any Moramanga no hita fa mahimahina ka saika hihataka rehefa nahita ny fandalovan’izy ireo.

Raha vao nahita izany fihetsika izany anefa ireo zandary, nanapa-kevitra ny hisava azy ka nasaina novohainy ilay kitapo teny aminy. « Tratra tao anatin’izany ny vola maromaro vaovao be amin’ny 10.000 Ar. Rehefa nasaina navoakany ny iray amin’izany mba hozahana, hita fa sandoka ka notanana avy hatrany io lehilahy io ary nentina tany amin’ny birao. Nozahana tsirairay ireo vola izay miisa 818 ka hita fa sandoka avokoa ka nogiazana. Hatolotra ny fampanoavana any Moramanga izy io aorian’ny famotorana azy”, hoy ny zandary.

“Anterina ary fa ankoatra ireo vaovao izay isaorana ny mponina hatrany amin’ny fiaraha-miasa asehon’izy ireo amin’ny fizarana izany ombieny ombieny, mikaroka tsy an-kijanona, andro aman’alina eny amin’ny faritra rehetra alehany sy iasany ihany koa ny zandary rehetra hampisy fandriampahalemana bebe kokoa ho tombontsoan’ny firenena sy ny  mpiray tanindrazana”, hoy ny fanamafisana.

Tsy mbola nampahafantarin’ny zandray kosa anefa raha saika hatao inona ireo vola ireo na aterina aiza. Mampiseho ity tranga ity misy ny vola sandoka miparitaka eto amintsika ka tokony ho samy mailo ny rehetra amin’izany.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.