Flash
Préc Suiv

Lalam-pirenena faharoa : kamiao « semi-remorque » nitondra zava-pisotro nivadika

Lalam-pirenena faharoa  : kamiao « semi-remorque » nitondra zava-pisotro nivadika

Nivadika tany amin’ny lalam-pirenena faharoa ny kamiao iray nitondra zava-pisotro ny asabotsy teo. Niparitaka ny zava-pisotro, nivadika teo amoron’arabe ny kamiao « semi-reporque » iray. Soa ihany fa tsy nisy ny olona naratra tamin’izany. Tsy nisy ihany koa ireo olona nifarombaka ny entana very. Mba tsy voahelingelina loatra ihany koa ny fifamoivoizana satria tamin’ny sisin-dalana no nivadika ilay fiarabe.

Kamiao Mercedes Bens 1513 iray ihany koa nivadika tany Maromitety Vavatenina, ny zoma teo tamin’ny 9 ora maraina. Vokatry ny fahasimban’ny hisatra ny nahatonga ny loza tamin’izany. Vokany, olona telo naratra mafy ka ankizy vao herintaona ny iray, ary 17 taona, ankoatra ny mpamily. Nentina tany amin’ny hopitaly avokoa ireo olona ireo. Nanapaka ny lalana mihitsy ity fiara nivadika ity ka voatery navily lalana avokoa ireo fiara vaventy nandalo tany an-toerana. Niverina tamin’ny laoniny ihany ny fifamoivoizana taorian’izay.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.