Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina : nomontsanin’ny Aduana 6 no ho 1 ny Fosa Jr

Kitra afrikanina  : nomontsanin’ny Aduana 6 no ho  1 ny Fosa Jr

 Ho sarotra  ny lalao miverina. Nomontsanin’ny ekipa ganeanina Aduana Stars tamin’ny  isa  mavesatra  4 no  ho  1 ny tompon’amboaran’i  Madagasikara,  Fosa Junior. Lalao mandroso natao tany amin’ny kianja Agyeman Badu Stadium, omaly.

 Nampiditra ny baolina voalohany ny solontenantsika tamin’ny alalan’i José Alain, minitra  fahefatra. Tsy niandry ela anefa izany fa nosahalain’ny tompon-tany teo amin’ny fahasivy minitra.  Totoafo ny fanafihan’ny Aduana Stars ary haingana ny fomba filalaon’izy ireo.  Vokany, nanao  hadisoana tao amin’ny faritry ny 16 mn i José Alain. Nanondro ny “penalty” ny mpitsara zambianina.  Tafiditr’i Adams soa aman-tsara  izany, minitra faha-33. Nanao hadisoana indray koa ny mpiandry haraton’ny Fosa  Jr, Damien,  ka nahazoan’ny Ganeanina penalty. Mbola nampidirin’i Adams indray koa izany, minitra faha-40. Io isa 3 no ho 1 io ny nisarahan’ny roa tonta  teo am-pialan-tsasatra.

Tsy nijanona teo anefa izany. Nanao hadisoana faharoa, niakatra indray, i  Damien ka  nahazoan’ny Aduana Stars penalty, minitra faha-61. Mbola niampy roa indray izany taty amin’ny minitra faha-85 sy 86. 6 no ho 1 teo. Nandany fotoana ny Ganeanina. Nisy fotoana koa anefa efa nidona amin’ny tsivalamby na tsatoby ny dakan’ny Ganeanina. Niezaka nanafika ihany kosa ny Malagasy tamin’ny fampidirana an’i Rado Kely, nisolo an’i José Alain. Nanao ny ho afany koa i Dax, saingy tsy nahitam-bokany hatrany izany.

Araka  izany,  ho sarotra ny lalao miverina afaka 10 andro, manoloana io vokatra mavesatra nozakain’ny Fosa Jr  io. Mila mandresy amin’ny isa mavesatra ary tsy mampitoko ny Ganeanina isika raha te handeha amin’ny dingana manaraka hidirana anaty lalaom-bondrona.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.