Flash
Préc Suiv

Ramarosaona Franck : « leo tanteraka ny vahoaka ary halohalika ny ranombary”

Ramarosaona Franck  : « leo tanteraka ny vahoaka ary halohalika ny ranombary”

 Nitondra famafakafakana ny fahitany ny  raharaham-pirenena   tamin’ny fandaharana “Ambarao” ao amin’ny onjampeo Alliance 92 FM,  ny talen’ny famoahana (DP) ny Vondrona Ultimamedia,  Ramarosaona Franck, omaly. Nambarany fa mampanahy ny ho avin’ny firenena. Ampahany amin’ny resadresaka. ..  

Fijery mahitsy sady tsotra. “Leo ny vahoaka satria mahita ny fiainany  tsy mivoatra ary tafiditra lalina amin’ny  fahantrana. Mikorosy fahana ny toekarena, tsy  voahaja ny zon’olombelona,  tsy misy  fandriampahalemana… Ny fisondrotry ny vidim-piainana. Mety ny ao anaty fanjakana ihany koa ny ao ambadik’izany mba tsy hitiavan’ny vahoaka ny fitondrana”,  hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny vahoaka ny fiarahamonim-pirenena, ny fiangonana, ny antoko politika, ny sendikà sy  ny sehatra tsy miankina. “Mampatahotra ny tranga satria maro ny mpanararaotra ary maro ireo efa matihanina any  ho any. Efa mivoaka izy ireo izao  ary hampirisika ny olona  hidina an-dalambe. Anisan’ny mahatonga izany ny fihetsiky ny fanjakana.  Ho avy koa ny avy any ivelany hijery ny  hotohanana amin’ity  raharaha ity. Tsy azon’ny mpitondra mihitsy izany rehetra izany…”, hoy ihany izy.

Momba ny fahalanian’ilay lalàna hifehy ny fifidianana kosa, nambarany fa efa nampoizina izany. Ho azy, nanaovana sarimihetsika fotsiny iny lalàm-pifidianana iny  nandritra ny herintaona nandrafetana azy  io. Tahaka ny nanaovana  ny lalàna hifehy ny serasera sy ny fifandraisana.

Manao sarimihetsika fotsiny ny fitondrana

Nasaina sy nakana hevitra ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, nandalo teny anivon’ny komity iraisan’ny minisitera. “Efa nanana ny vinavinany anefa ny fitondrana ary nandefa izany teny amin’ny parlemanta. Manao ny tiany izy ireo ary tsy misy fanitsiana fa sarimihetsika avokoa ny ankoatran’izay. Mody natao  hoe efa  nakana ny hevitry ny rehetra. Amboletra ny nandaniana azy iny satria tsy nekena ny fanitsiana. Efa nanana  ny heviny ny HVM amin’ny fomba handaniana ny  filoha amperinasa amin’ny fifidianana manaraka”, hoy Ramarosaona Franck.  Nohitsiny fa misy mifandaka amin’ny lalàmpanorenana izany lalàna izany. “Fa eo koa ny  tahotra ireo kandidà  sasany matanjaka. Ohatra, Rajoelina sy Ravalomanana, tsy tian’ny HVM hifaninana amin’ny filoha Rajaonarimampianina”,  hoy izy.  Mbola eo  koa anefa ireo kandidà hafa nampidirina  amin’ny CPAC nampangaina ka  nomena fahafahana vonjimaika (LP).  Tafiditra amin’ilay lalàna anefa fa tsy afaka mifaninana ireo nahazo LP amin’ny “Bulletin N°2”.  Efa nanambara izany ny HVM  sy Rakotovao Rivo fa tsy afaka mirotsaka ireo efa  nandika lalàna na  tsy nandoa hetra na koa  tsy madio.

Notsiahiviny avy eo ny nahazo an-dRavalomanana namory  vahoaka tany Taolangaro sy Toliara. “Jereo  ny  nanjo azy fa tsy navela hanao izany.  Lasa  adim-poko. Miditra an-tsehatra ny prefektiora.  Rajoelina tany Ambilobe, nahavory vahoaka  maro. Nesorina ny sefo distrika avy eo. Tany Mahajanga  indray, rakotra vahoaka hitsena ny filohan’ny Tetezamita.  Nefa ireo milaza fa tompon’i Mahajanga : Rakotovao Rivo sy Rolly Mercia  gaga nahita ireo vahoaka. Izany  hoe tsy manana ny lanjany izy ireo ka nanao ny fomba tsy hahatongavan-dRajoelina tany. Nambara  fa resaka teknika sy filaminana ny tsy nandehanan’ny fiaramanidina tokony  hitondra azy”, hoy izy.

Tsy hanampy antsika amin’ny fifidianana ny iraisam-pirenena

Momba ny mety ho  hevitry ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny lalàm-pifidianana kosa, nambarany fa mampanahy ny mety hampitsaharany ny  famatsiambola “basket fund”  amin’ny fifidianana . “Kely ny anjara volan’ny  fanjakana amin’io tahiry io. Tonga eto ny Sadc, ny Vondrona afrikanina ary ny OIF efa nandalo teto… Nanery antsika izy ireo  hamoaka  datim-pifidianana. Niteny iny minisitry ny Raharaham-bahiny tany amin’ny fahitalavitra frantsay nanondro daty… Mino aho fa tsy nandainga ny minisitra ka  tsy hiteniteny foana… Manahy ihany aho anefa fa tsy hanampy antsika amin’ny fifidianana ny iraisam-pirenena satria mitaky fifidianana  tsy manilika ary andraisan’ny  rehetra anjara izy ireo”, hoy izy. Notsiahiviny avy eo ny lalana handalovan’ilay lalàna nolanin’ny depiote teo. Handalo eny amin’ny Antenimierandoholona izany izao. Na  izany  aza anefa, nohitsiny  fa eo ambany ziogan’ny HVM ireo  loholona ireo.  “Ho tompon’ny teny farany kosa ny HCC amin’ny fijerena na manaraka na tsia ny lalàmpanorenana ilay lalàna. Arahaba soa kosa raha hamerina ny andininy sasany hodinihina  izy ireo raha hitany fa tsy manaraka ny tokony ho izy izany. Ho tompon’antoka  kosa  anefa izy ireo amin’ny mety hisian’ny korontana eto amin’ny firenena raha manaiky befahatany io lalàna  io”, hoy ihany Ramarosaona Franck.

Nampitahainy amin’ny  firenen-kafa kosa  ny fihetsiky ny fitondrana manoloana ny hetsika ataon’ny olona. Nambarany fa mitokona  ny SNCF any Frantsa,  fa tsy miteny ny filoha Macron. Ny  eto amintsika anefa tonga avy hatrany ny Emmo raha vao mitangorona  ny olona, araka ny nambarany. “Maty ny zandary any atismo. Manao herim-pamoretana any an-dapa sy any Mahajanga ka tsy mahavita ny asa tokony hatao  ny Emmo.  Manjaka ny  dahalo ambony latabatra. Mbola  mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka.  Hita sy iainana izany  ary miparitaka hatrany ivelany ka tsy handroso mihitsy isika ”, hoy ihany izy.  Nanteriny fa tokony hotohizan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ilay hetsika “Aoka izay” momba ny  tsy fandriampahalemana.   “Andrana  iny hetsika iny nefa tokony hitambaran’ny rehetra amin’ny manaraka ary hiarahana hoe “aoka izay” ity fitondrana ity…”, hoy ihany izy.

Tsy handeha lavitra ny fitorian’ny Tim/Mapar

Tsy mino kosa ny tenany fa ho lasa lavitra ny momba ilay fitorian’ny Tim/Mapar eny amin’ny Bianco.  “Hitantsika iny “Raharaha Claudine” iny.  Izy irery no voarohirohy fa ny nanome vola  sy ny tsena azy tsy nohadihadian’ny Bianco… Nahoana ny tsy voakitika ny sasany sy ny antanan-tohatra aty ambony.  Mety ho fihetsiketsehana fotsiny ny an’ny Tim sy ny Mapar  fa tsy handeha lavitra io  raharaha io”, hoy izy.  Nampitoviany amin’izany  koa ny momba ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana teo aloha (DGT), Robimanana Orlando  ka nilazany fa tsy misy idirany iny  resabe iny ary efa nazava ny nambaran’ny Bianco momba azy. “Natao  fanahiniana fotsiny izany manoloana ny  haha kandidà azy noho ny tahotra ho  tratran’ilay “Bulletin N°2”, hoy izy.  Namaranany ny  resaka ny  nanambarany  fa mizotra any amin’ny lalan-dratsy ny firenena  ary hahery vaika izany manoloana ny tsy faneken’ny  olona izao tsy fisian’ny fahalalahana sy ny demokrasia izao. Ny fanitsakitsahana ny lalàna. “Efa maro  ireo mihevitra ny  hidina an-dalambe satria  tsy hanova famindra intsony ny  fitondrana”, hoy Ramarosaona  Franck.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.