Flash
Préc Suiv

Ampitatafika : taxi-be nifandona, olona dimy naratra mafy

Ampitatafika  : taxi-be nifandona, olona dimy naratra mafy

Olona dimy naratra mafy vokatry ny fifandonan’ny taxi-be Sprinter roa teny Ampitatafika, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Araka ny fanazavan’ireo mpandeha tamin’ilay taxi-be, nandeha mafy ilay taxi-be hiakatra aty an-drenivohitra ary niala fiara iray teo aloha, saingy tsy voafehin’ny mpamily intsony izany ka nifatratra tamin’ny taxi-be iray hafa nifanena taminy izay nandeha mafy ihany koa. Potika tanteraka ny loharan’ireo fiara nifandona. Voalaza aza fa tery tao anaty motera mihitsy ny mpamilin’ilay taxi-be iray. Nanahirana ny nisokirana azy tao fa tafavoaka tao ihany. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly HJRA ireo niharam-boina ary mbola misy manaraka fitsaboana hatramin’izao noho ny ratra nahazo azy.

Matetika ahitana lozam-piarakodia amin’iny lalana mihazo an’i Fenoarivo Alakamisy iny. Malalaka ny lalana ka misy amin’ireo mpamily sasany alaim-panahy hampiakatra ny hafainganam-pandeha kanefa tandrevaka kely fotsiny dia mety ahitan-doza. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny tokony hametrahana dongona fampihenana ny hafaingam-pandeha amin’iny lalana iny mba hisorohana ny loza toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.