Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Ny alahady harivan’ny Paska, nanatontosa antsan-kira ny antoko mpihira Orimbato Ambatonakanga izay mandia ny faha-45 taony. Nisy koa fampirantiana ny 200 taona nidiran’ny LMS teto Madagasikara

Ray aman-dreny nanolotra ny zanany natao batisa tao amin’ny Tranovato FJKM Faravohitra. Fotoany rahateo izao!

Tetsy amin’ny fiangonana Anglikana Santa Laurent Ambohimamoro, hipoka tanteraka ny fiangonana

Na ho fantatra aza fa hitohana ny fifamoivoizana rehefa hody, tsy nanakana ny nisafidy nivoaka kely ny Renivohitra niaraka tamin’ny fianakaviana izany.

Nifanotofana ny fiara fitateram-bahoaka ny maraina sy ny hariva. Saika lany teo aloha ny adiny roa!

Niasa mafy ny zandary… Nilamina ny fifamoivoizana tamin’ny ankapobeny.

Aleo misoroka toy izay mitsabo! Nahitana mpamonjy voina ny manodidina ny Renivohitra.

Nafanain’i Elidiot ny tetsy amin’ny stade annexe Mahamasina. Nangotraka tokoa!

Tsy latsa-danja koa ry Jazz MMC, tetsy amin’ny Coliseum Analamahitsy.

 

Somary nangingina ny tetsy amin’ny kianjan’ny Esca Antanimena. Fiyah anisan’ny teny an-toerana.

Vokatry ny herisetra, naratran’ny antsy ny mpijery fety iray.

 

Nanatontosa: Fanou – Mamiherison – HaRy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique