Flash
Préc Suiv

« Vaky sehatra 2018 » : vonona ny tarika Ny Ainga

« Vaky sehatra 2018 »  : vonona ny tarika Ny Ainga

« Tsy mihira fitiavana fa ampihirain’ny fitiavana » ! Hotanterahina ao Antsahamanitra ny Alatsinain’ny Paka 2 avrily izao ny « Vaky sehatra 2018 », na ilay fampisehoana goavana iarahana amin’ny tarika Ny Ainga. Ankoatra ny fivimbinan’ny tarika ireo « vazo milay », efa fanta-bahoaka, hisy ihany koa fihirana ireo hira vaovao, toy ny « Izaho ho vadinao ».

Raha ny fanazavan-dry zareo avy ao amin’ny Manj’Art prod, mikarakara ity seho lehibe ity, mpanakanto marobe no hiakatra sehatra amin’ny fandaharam-potoana tapany maraina izay hanomboka amin’ny 10 ora. Anisan’izany ny tarika, Suspens, Tempo Gaigy, tarika Miandry, Lay, Hasina, Parson Jacques, Boboh Mahavanona… Nampanantena ny hisakelika vazo vaovao be avokoa ireo tarika ireo, raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Vao mipaika ny amin’ny 3 ora tolakandro,  raikitra  avy hatrany ny « Vaky sehatra 2018 » miaraka amin’ny tarika Ny Ainga.

Nohamafisin’ny mpikarakara fa miara-miasa hatrany amin’ireo tarika sy mpanakanto mivoy ny « vazon’ny tanàna » ny Manj’Art Prod.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.