Flash
Préc Suiv

Kitra : notokanana ny biraon’ny Caf ao Mahajanga

Kitra  : notokanana ny biraon’ny Caf ao Mahajanga

Notanterahina, omaly zoma, tany Mahajanga, ny biraon’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), eto Madagasikara. Ao Ampasika, no misy ity toerana ity, izay hivantanan’i Ahmad sy hiasany, amin’ny fotoana handalovany eto Madagasikara. Toerana arifomba satria ahitana efitra fivoriana sy birao isan-karazany, hiasan’ireo olona, karamain’ny Caf.

Araka ny fantatra, anisan’ny tomponandraikitra voalohany, miasa ao amin’ity biraon’ny Caf eto Madagasikara ity, Rakotomalala Stanislas, sekretera jeneralin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), teo aloha. Marihina fa karamain’ny kaonfederasiona afrikanina, avokoa ireo olona hiasa sy hanana andraikitra ao amin’ity biraon’ny Caf, eto Madagasikara ity. Olo manan-kaja eto an-toerana sy avy any ivelany, no tonga nitokana izany, omaly.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.