Flash
Préc Suiv

Tsy mbola manomboka akory ny fifidianana : raikitra ny savorovoro sy korontan’ireo depiote teny Tsimbazaza

Tsy mbola  manomboka akory ny fifidianana  : raikitra ny savorovoro sy  korontan’ireo depiote teny Tsimbazaza

 Nifanjevo sy nifampihantsy ary nisavoritaka ireo depiote, omaly, teny Tsimbazaza tamin’ny fivoriana tokony ho nandinihana ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana. Efa ahitana  taratra sahady ny mety ho fizotry ny fifidianana hatao amin’ity taona ity, izany.

 Efa lanin’ireo depiote fa handray  ny minisitry ny Atitany sady lehiben’ny governemanta, Mahalafy Solonandrasana izy ireo, miaraka amin’ny minisitry ny Fitsarana  tamin’io omaly io.  Niova indray anefa izany noho ny tsy fahaiza-mandrindra sy fitantanan’ny filoha lefitra nitarika ny fivoriana. Tsy  vitan’izany fa tonga teny  daholo koa ireo mpikamban’ny governemanta  ary nambara koa  fa fivoriana mikaton-trano izy ity. Tsy nanaiky izany anefa  ireo avy amin’ny mpanohitra ary nanizingizina fa avelao hanao ny asany ny mpanao  gazety.  Niditra an-tsehatra hatramin’ny mpitandro filaminana nandamina izany.  “Tokony ho  fantatry ny  vahoaka nifidy anay ny adihevitra atao eto. Manana zo amin’izany izy ireo… Tsy baikon’ny miaramila  izany izahay fa olom-boafidy… Lapan’ny demokrasia ity ary masi-mandidy ny  vahoaka…  Tsy azo ekena izany hoe miverina amin’ny hevitra efa tapaka izany…”, hoy ny ampahan’ny fanehoan-kevitr’ireo depiote , tsy faly amin’ny ataon’ireo depiote namany.

Tsy nanaja ny  teny nomena fa nivadika

 Nohitsin’izy ireo fa efa tapaka tamin’ny lahadinika ny amin’ny handraisana ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsarana  nefa  izao niova izao indray izany. Tsy  levon’ireo depiote sasany koa ny tsy namelana ny mpanao gazety hanatrika ny adihevitra sy ny  famelabelarana.  « Tsy manaja ny teny nomena ireo birao mpitantana ka nanova tanteraka ny resaka tetiandro. Tsy ny governemanta iray manontolo no tokony hihaona aminay fa ny praiminisitra sy ny minisitry ny Fitsarana”, hoy ny depiote Razanamahasoa  Christine. Nanteriny fa tokony hisy ny marimaritra iraisana, na tsy mipetraka aza, ny tena ara-drariny eny amin’ny Antenimierampirenena, kitro amaharan’ny demokrasia. Nampiaka-peo koa ny depiote Rakotomanga Lanto ary nilaza ny amin’ny tokony tsy hatahorana mpanao gazety amin’ny famoaham-baovao mitranga rehetra. “Miatrika  raharaham-pirenena isika ka tsy tokony hatahorana izy ireo satria mitatitra ny vaovao rehetra mankany amin’ny vahoaka  ka tsy tokony horoahina izy ireo”, hoy izy.

Tsy manana fahendrena  sy ny  maha olom-boafidy…

 Antony  nahatonga ny  fampiakaram-peo teo amin’ireo  depiote sasany izany   ary  nahatonga  ny  savorovoro. Tsy nisy intsony ny  fifanajana na fifandeferana fa samy nanao  ny saim-pantany. Siotsioka tsy nifandrenesana tao an-dapa.

Voatery naato  mihitsy aloha izany ny fivoriana ny  tapaka andro maraina,  omaly.

Araka  izany,  efa ahitana  taratra sahady ny mety ho fizotry ny fifidianana izao tranga  niseho teny Tsimbazaza  izao. Tsy hita taratra ny fahendrena amin’ny maha olom-boafidy azy ireo, misolo tena ny  vahoaka nifidy.  Savorovoro sy  korontana ary fifampihantsiana.  Hanao ahoana  rehefa samy hanana ny kandidà sy ny hotohanany avy   amin’ny fifidianana filoham-pirenena  ?

Randria 

Une réponse à "Tsy mbola manomboka akory ny fifidianana : raikitra ny savorovoro sy korontan’ireo depiote teny Tsimbazaza"

  1. Zafisoa  15/03/2018 à 16:12

    Tsy mahagaga fa eto Gasikara, efa ela nodiso zotra é. Vokatry ny fanjakan’ny madinika natao teto izany, ny paradisa sosialista, ny ento miakatra ity firenena ity sy ny 4L isambaravarana. Izao indray asandratra indray amin’ireto vahoaka kamo manaraka discipline. Ny mpampihatra discipline aza toa sadasada manantsoratra. Tsy hay intsony fa …
    Masoila

Les commentaires sont fermées.