Flash
Préc Suiv

Tselatra

Maty voatifitra ny tompon’ny tranombarotra iray notafihin’ny jiolahy teny Nanisana, ny alatsinainy hariva teo. Andian-jiolahy nirongo basy PA no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Tsy nisy resaka fa tifitra avy hatrany no niantefa tamin’ny tompon-trano. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola rehetra tao am-pivarotana. Voalaza fa tsy nanaiky lembenana ity raim-pianakaviana ity fa niaro ny fananany kanjo norarafan’ireo jiolahy ny tifitra. Niditra teo amin’ny tratra ary nivoaka tany amin’ny lamosiny ny bala.

Vato kristaly milanja 10 taonina no tratran’ny zandary tao amin’ny barazy ao Vinaninkarena Antsirabe, ny asabotsy teo. Fantatra nandritra ny famotorana nataon’ny zandary fa avy any Ikalamavony ireto vatobe ireto ka nokasaina hoentina hiakatra aty an-drenivohitra. Nogiazana avy hatrany ilay fiarabe nitondra ity vato ity. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary miaraka amin’ny Mines.

 

Les commentaires sont fermées.