Flash
Préc Suiv

Hetsika “Kanto loatra” : ady atao hisakanana ny fanondranana bibidia

Hetsika “Kanto loatra”  : ady atao hisakanana ny fanondranana bibidia

Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina ny hetsika “Kanto loatra”, nandritra ny lanonana fankalazana ny Andro maneran-tany fiarovana ny bibidia (3 marsa), hisakanana ny fanondranana ireny an-tsokosoko. Famatsiam-bola avy amin’ny Amerikanina ny hanaovana izany, tantanan’ny USAID, miaraka amin’ny tohana sy ny fandraisana anjaran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, haivoahary sy ny ala, ny minisiteran’ny Fizahantany, ny fadintseranana malagasy, ary ireo mpiara-miombon’antoka valo miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana eto an-toerana sy any ivelany.

Manan-danja amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ireny bibidia ireny, miantoka ny fiarovana ny tontolo iainana, mampiakatra ny fizahantany, manampy amin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao amin’ny faritra iray, mampitombo ny fahalalana sy ny fanabeazana ho an’ny ankizy sy ny tanora. Anisan’ny tanjona iray ho amin’ny fampandrosoana maharitra.

Tsy mitsaha-mihena ny isany

Betsaka ny loza mitatao amin’ireo karazam-biby arovana ireo, noho ny ataon’ny zanak’olombelona ihany. Tsy mitsaha-mihena ny isan’izy ireny noho ny fahapotehan’ny ala fonenany, fihazana, fanondranana an-tsokosoko, sns. Nankalazaina amin’ny endriny maro samihafa io Andro maneran-tany ho fiarovana ny bibidia io, ampitaina amin’ny rehetra ny harena ao amin’izy ireny, mampandroso ny toekarena sy sosialy.

Fanentanana isan-karazany atao peta-drindrina, sary, sy hafatra  ho an’ny tambajotra sosialy manohitra izany fanondranana antsokosoko bibidia izany. Miantefa amin’ny vondron’olona samihafa ireo rehetra ireo, zaraina manerana ny Nosy, ary hita amin’ny trano fandraisam-bahiny, sekoly, vondron’olona ifotony, biraon’ny fadintseranana, seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina rehetra. Raha mahita iray amin’ireo fitaovana ireo ianao, amporisihana handray anjara ka haka sary miaraka amin’izany, ary halefa amin’ny info.madagascar@usaid.gov (antony : Kanto loatra).

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.