Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tratra nanendaka teny Maray Masay, ny zoma teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe Sylvain. Jiolahy efa mpamerin-keloka izy ity satria efa nisazy 10 taona an-tranomaizina teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, nanomboka ny taona 2008 noho ny namonoany ho faty ny mpiara-milalao baolina lavalava aminy. Tafavoaka ny fonja izy ny taona 2016 ka izao tratra nanendaka izao indray. Maro ireo mpitsangantsangana eny amin’ny manodidina ny Marais Masay voaendaka tamin’izany ny lehilahy roa nitaingina moto Scooter. Nianjera tamin’ny tany ireo niharam-boina ka nohararaotin’ireo olon-dratsy naronina ny paosiny ka lasan’izy ireo tamin’izany ny finday sy  ny vola tany amin’izy ireo. Naratra ireo roa lahy niharam-boina. Nifanenjehana anefa ilay jiolahy ka tratran’ny polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny.

 

Les commentaires sont fermées.