Flash
Préc Suiv

Toamasina : filohan’ny filankevitra Razafimanana

Toamasina : filohan’ny filankevitra Razafimanana

Niverina  eo am-pelatanan’ ny mpanolotsaina voafidy amin’ny Mapar ny filohan’ny filankevitry ny Tanàna, raha  nisintaka tamin’izany nandritra iny taon-dasa iny. Norombahin-dRakotoarivelo Solofo Ginah izany teo aloha, saingy, voatery nametra-pialana   ny  tenany noho ny tsindry nahazo azy vokatry ny ady ifanaovany efa an-taonany amin’ny
ben’ ny Tanàna, Ratsiraka Elysée, niafara tamin’ny fampidirana am-ponja ny fianakaviany. Natao ny alatsinainy 26 febroary lasa  teo ny fivoriana nifidianana ny ho filoha sy ny birao hitarika indray ny filankevitra kaominaly vaovao.  Roa ireo kandidà nifaninana  ka  natolotry ny Tim notohanan’ny HVM sy ny MTS ny Dr  Rakotomanana Gervais.  An’ny Mapar kosa Razafimanana Jean Christian, nahazo ny 11  tamin’ny mpanolotsaina miisa  19 mpifidy. Valo kosa ny vaton’ny Tim. Voafidy ho filoha fanindroany indray izany Razafimanana Jean Christian. Tonga teto Toamasina koa ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ary nihaona sy namory ireo mpanolotsaina dimy voafidy amin’ny  Tim.

Tim nivadika nanohana Mapar

Nisy baiko nomen’ny filohan’ny Tim mba handaniana ny Dr  Rakotomanana Gervais ho filohan’ny filankevitry ny Tanàna. Nanome tanana izany ny mpanolotsaina roa avy amin’ny MTS sy ny HVM roa ary iray avy amin’ny tsy miankina ka hifidy an-dRakotomanana Gervais. Nivadika  nanohana ny kandidàn’ny Mapar anefa ireo Tim sasany.  Fantatra  koa  fa efa mivaky sy te  hivadika  ho Mapar ireo mpanolotsainaTim. “Notohananay  HVM sy MTS izy, tsy noho ny loko politikan’ny dokotera  fa ny  traikefany heverina hanala ny fahoriana sy aretina misy amin’ny kaominina Toamasina ankehitriny, saingy sarotra ampiana sy omena tanana izy ireo ka izao ny  vokany« , hoy mpanolotsaina avy amin’ny tsy miankina sy ny HVM  ary ny MTS.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.