Flash
Préc Suiv

Mananontanona ny rahona mainty!

Mananontanona ny rahona mainty!

Mazava ny resaka ankehitriny. Tsy matoky ny heriny ny HVM ka ahilika amin’ny lalam-pifidianana ny mpifanandrina politika. Hanaovana antsojay ny tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Handany ny hevitra maizina atao ho lalanà ireo solombavambahoaka mpamadika palitao. Ary natao hiaro ny tany tan-dalàna ventisiny isan’andro izao avy eo ny tafika, polisy ary ny zandary. Aiza anefa izany? Ny porofon’ny kolikoly avo lenta nisy nandoro, inona intsony no hilana ny Bianco? Lazaina fa mpanao resaka habobo i Houcine Arfa, nefa iza no tsy mahalala ny paikady ao amin’ny tontolon’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja. Aiza koa ilay Fitsarana Avo tokony ho efa natsangana hatry ny ela? Efa ho tapitra ny fe-potoana fiasan’ny filoha vao milaza indray izy fa manana “Vina” hanavotana ny firenena tafahitsoka lalina anaty fahantrana. Lazaina fa fototry ny olana ny tetezamita kanefa izy anie ka ministry ny Vola tao e! Maro tsy ho voatanisa ny minisitra amin’izao fitondrana izao, voky tao anatin’ny tetezamita. Raha Hendry tokoa, tsy tokony ho nandray anjara tanaty fitondrana tsy ara-dalanà fa tsy avy eo vao avo vava sy manaratsy ny seza nangoronan-karena. Ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana rahateo mamela malalaka ny fanitsakitsahana ny lalàna fototra. Izao ny tranga hiseho, Rajaonarimampianina  Hery irery no ho kandidà ho filoham-pirenena. Na ireo afaka milatsaka tsy afakka hanao fampielezan-kevitra fa ho sakanan’ny lehiben’ny faritra. Ho raikitra ny gidragidra toy ny tamin’ny taona 2002 sy 2009. Hanao kiribiby tsy hiala izy, kanefa tsy mahomby eo amin’ny fitantanana ny raharaha. Tsy misy ilaina izany Komitin’ny fampihavanana izany, ady an-trano izao no miandry ny vahoaka malagasy noho ny fandikan-dalanà ataon’ny HVM sy ny mpiray petsapetsa aminy. Mananontanona ny rahona mainty.

Vonjy Andrianjaka  

Les commentaires sont fermées.