Flash
Préc Suiv

Noho ny tsy fanarahan-dalàna, kolikoly… : mikorontana tanteraka ny fitsarana

Noho ny tsy fanarahan-dalàna, kolikoly… : mikorontana tanteraka ny fitsarana

 Mbola to teny na didy sy azo itokisana ihany ve ny fitsarana malagasy amin’izao? Eo ny fitsaram-bahoaka milaza azy. Efa mba niova ve ny fanadihadin’ny Afrobaromètre sy ny Bianco, ohatra, fa anisan’ny mahabe fitarainana indrindra noho ny kolikoly ny fitsarana ?

 Izay ny fandraisan’ny vahoaka ifotony ny fitsarana. Mahatsara na maharatsy endrika ny fitsarana amin’izao koa ny afitsoky ny mpitondra. Nahoana? Tsy mbola misy valiny na fanapahan-kevitra, ohatra, ny fitakian’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), tamin’ny taon-dasa, ny amin’ny fanajana ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fanajana ny tany tan-dalàna, ny fampiharana didim-pitsarana…   

Vao mainka miharatsy noho ny eo aloha aza ny toerana sy ny fiheveran’ny maro ny fitsarana amin’izao. Eo, ohatra, ny amin’ireo raharaha tsy mazava na toa vitavita ho azy fa tsy hita izay tohiny sy farany: ny « Raharaha Antsakabary », ny « Raharaha Razaimamonjy Claudine », ny « Raharaha Andriamandavy VII Riana »…

Mitohy ny tsy fanarahan-dalàna sy ny kolikoly

Izao faramparany izao, maharikoriko ny amin’ny fisian’ny kolikoly amin’ny fidirana ho mpianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha, ananan’ny Bianco porofo. Hanao ahoana ny hoavin’ny fitsarana amin’izany? Hitady izay hameranana ny kolikoly nomeny izay mpitsara sy mpirakidraharaha mivoaka amin’izany. Mety efa hatramin’izay aza ny kolikoly, fa izao vao miseho masoandro.

Tsabahin’ny mpitondra ambony hatrany fitsarana. Tonga hatramin’ny fandoroana ny antontan-taratasy porofona kolikoly amin’izay fidirana ho mpitrsa sy mpirakidraharaha izay ny sasany.

Mahavery fanahy ny maro amin’ny fitsarana koa ny momba ny « Raharaha Houcine Arfa » hoe nisy andrana fanomezana kolikoly tamin’ny eo anivon’ny fampanoavana, nefa vitavita ho azy: nahoana, ohatra, no tsy notanana avy hatrany sy nenjehina araka ny lalàna?

Mahakely finoana ny vahoaka koa ny momba nanalana ny tonia voalohany mpampanoa eo anivon’ny fitsarana tampony, ifampitaritarihana eny anivon’ny fitsarana. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana izao no misavoritaka sy tratran’ny fahalovana tanteraka. Mbola azo antoka sy itokisana ve? Na mila vahaolana ny raharaha…

Be loatra ny lalàna rehefa tena mpanao kolikoly ny fanjakana, hoy ny ohabolana latinina izay. Eo koa ny hoe: mivoaka na lasa ny marina, rehefa tafiditry ny politika ny fitsarana.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.