Flash
Préc Suiv

Boriborintany faharoa : nanamafy trakefa ny polisy

Nanatanteraka fiofanana mikasika « renforcement de capacité opérationnel » ireo polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa Ambohijatovo, ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny EPP Mandroseza. Nitarika izany fiofanana izany ny lehiben’ny kaomisaria Ambohijatovo, ny Commissaire de Police Rafalimanana Alain. Tafiditra indrindra ao anatin’ny politikan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny fanakaikezana kokoa ny vahoaka moa izany. Natao izao fampiofanana izao hanamafisana hatrany ny traikefa ananan’ireo polisy miasa ao amin’io boriboritany io . Amin’ny maha « axe strategique » ny eny amin’ny faritry ny boriboritany faharoa, ahitana « vigie » miisa roa io faritra io izay eny Ankaditapaka sy Ambohipo . « Efa eo an-dalam-panamboarana ihany koa ny “vigie” eny Ambohidraselika /Mahazoarivo, sy Ambolonkandrina ary ny eny Saropody. Ny fametrahana ny vigie toy ireny dia mba hahitan’ny vahoaka ny polisy sy hahazoana manakaiky kokoa ny vahoaka raha sendra ny sarotra izy ireny. », hoy ny fanazavana. Ireo toerana voalaza ireo, noho izany, no faritra hanantaterahan’ireo mpiofana ny zavatra notovozina sy norantovina nandritra ny fiofanana. « Natao izany hahazoana vokatra tsara amin’iny faritra iny, ary koa mba hahafahan’ny vahoaka mihanoka ao anatin’ny filaminana sy ny hanomezany polisy fahafaham-po azy ireo », hoy ny fanamafisana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.