Flash
Préc Suiv

Manaitra ny fanjakana ny Amnesty International : feno hipoka Tsiafahy, 400 mahery ireo mbola tsy voatsara

Manaitra ny fanjakana ny Amnesty International  : feno hipoka Tsiafahy, 400 mahery ireo mbola tsy voatsara

 Avo telo heny amin’ny tokony ho izy no isan’ireo gadra voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Tsy mbola voatsara ny antsasak’ireo gadra miisa 988. Manginy fotsiny ny fomba hihazonana azy ireo tsy mifanaraka amin’ny maha olona. Manaitra ny sain’ny fitondrana ny Amnesty International.

Nahitsy ny nambaran’ny Amnesty International (AI), momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Manaitra ny fanjakana izy ireo mba hampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fandefasana ireo olona hotazonina am-ponja vonjimaika ao Tsiafahy. Anisan’ny mahabe isa ny voafonja tazonina ao izany, raha ny filazany.  998 ny isan’ny gadra ao Tsiafahy ny taona 2017, efa mihoatra avo telo heny amin’ny tokony ho zakany.

Tsy azo ekena intsony fa tsy manaja ny zon’olombelona, ny lalana iraisam-pirenena, fanitsakitsahana ny maha olona sy ny fampijaliana. Tsy manaja ny lalàna malagasy manambara fa tsy tokony ampidirana olona tsy mbola voatsara ao Tsiafahy. Ireo migadra an-terivozona sy mandra-pahafaty fonjaina ao”, hoy ny AI.

Nanao fanadihadiana izy ireo ny taona 2017  ka nahita ny tsy firaharahiana ny zo maha olona. Nambarany fa vato atao fandriana, mirefy 12 m  x  5 m ny efitra hitoeran’ny gadra 200 raha tokony ho 70 izany.

Nilaza ireo gadra nanontanian’ny A.I fa misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’izy ireo ny fomba fitazonana azy ireo sy ny hamaroan’ny gadra miara-mipetraka.

”Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ny fiarovana ny olona, ny manaja ny zo, ny fanarahana ny lalàna”, hoy ny Amnesty. Voararan’ny lalànan’ny zon’olombelona ihany ny fampijaliana. Miaina izany ireo voafonja, ankoatra ny sakafo tsizarizary, mangahazo ohatra.

Handray andraikitra?

Manoloana ny fanakianana ataon’ny AI ny famonjana ao Tsiafahy, andrasana ny valin-tenin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana. Efa tamin’ny 2017 ny fanadihadiana natao saingy mivoaka ny vokatry ny fanadihadiana amin’izao toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena izao. Mifanitsy ny zava-miseho sy ny zavatra notantarain’ilay Frantsay nitsoaka teny Tsiafahy Houcine Arfa. Teo ihany koa ireo gadra nitsoaka teny Antanimora. Mitovy ihany ny zava-misy ao Tsiafahy sy Antanimora. Samy efa mihoatra ny isan’ny voafonja, tsy mahazaka intsony ny fonja, antitra ny foto-drafitrasa.

Na izany aza, alefa ho aiza ireo gadra tsy mbola voatsara marobe  ? Mila manangana fonja vaovao ny fanjakana hasiana ireo voafonja marobe  ireo. Ho raharaha ny miandry ny fanjakana, na hangina tsy hiteny na hiala bala indray amin’ity resaky ny AI.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.