Flash
Préc Suiv

KMMR 2018 : «tokony hiala tsiny ny mpitondra »

KMMR 2018  : «tokony hiala tsiny ny mpitondra »

« Tsy nahitana zavatra mampiahiahy na tsy mety ny fisavana ny ambara fa halatra herinaratra ao amin’ny  AAA-Tiko ao Antsirabe, ka  tokony hiala tsiny ny mpitondra ary tokony hamerina ny fihodinan’ny orinasa izy ireo », hoy ny filohan’ny KMMR 2018 Raveloson Constant, tetsy amin’ny Magro Behoririka, ny asabotsy teo.  Nohitsiny koa fa efa manomana hala-bato any atsimo ny mpitondra, ka antony nanaovan’izy  hasomparana tamin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana  izany. « Tsy mitovy tamin’ny taona 2013 niaraka tamin’ny Dr Robinson, ny fifidianana amin’ity taona 2018 ity. Tsy hanaiky hala-bato ny rehetra, indrindra ny filoha Ravalomanana ary hiady hatramin’ny fandresena farany”, hoy ihany izy.  Miantso ny rehetra vonona ny hiara-kiasa amin’ny Tim sy Ravalomanana koa  ny KMMR 2018, hifanolo-tanana hanavotra ny firenena. Tsiahivina fa tonga maro tao koa ny avy ao amin’ny CUA satria araka ny nambaran’izy ireo fa tolona iaraha-manana izao, manoloana ny sotasota sy ny antsojay mahazo ny ben’ny Tanànan’Antananarivo.

Synèse R.

 

Une réponse à "KMMR 2018 : «tokony hiala tsiny ny mpitondra »"

  1. bordeaux33000  15/02/2018 à 00:00

    TS hay zay tokony ho tohanana marina..i ravalo vé? MBA firy am renivohi paritany ni tena lavon i Tim tanteraka NY fazahoana toeran NY maire? Samia miara manisa.zaho aza milaza fa hoe manatoona an i rajoelina i ravalo MBA mifampiraharaha aza menatra fa samy mamim bahahoakan i tana Na i ravalo na i rajoelina.tsy firy par rapport NY ma part NY maire azon i Tim tam renivohi paritany.ka tsara ianareo mouvance n i ravalo hanoha’a directe an i rajoelina MBA hiadiana mafy am àlabaton i hvm fa tsis force afa tsy hangalabato maximum possible ireto cravate manga ireo am premier tour.UEFA sahirana Mafy ry zalahy ao fa UEFA mahatapa NY tsy fitiavam bahoaka an i rajao la ireo manodidina azy mpamadika palitao ireo indrindra indrindra no tena mikotroka Mary fanomanana alabato ao fa mitandrema.aoka tsy hanaiky ianareo antoko mpanohitra.esory Andy il framacon io fa be râ nikoriana teto zay noho fanjakan NY lucifer am nosin tsika ity zalah eh?

Les commentaires sont fermées.