Flash
Préc Suiv

Hitondra fivelarana : nisokatra ho an’ny mpianatry ny lycée ny Cinéma Plaza

Hitondra fivelarana  : nisokatra ho an’ny mpianatry ny lycée ny Cinéma Plaza

 Nisokatra ho an’ny fanabeazana ny toeram-pijerena sarimihetsika Plaza eny Ampefiloha nanomboka omaly. Isaky ny talata, azon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ampiasaina hitondrana fanabeazana ivelan’ny efitrano fianarana ho an’ny mpianatra ny ivontoerana. Ny horonantsarimihetsika Djaomalaza 1mitantara ny fiainana zatovo iray no nifampizarana tamin’ny mpianatry ny lycée maromaro eto an-dRenivohitra, omaly. « Tanjona ny hampianarana ny tanora ny fomba fiaina amin’ny lohahevitra maro ka ho azony hanatsoahana lesona », araka ny fanazavan’ny tomponandrakitry ny fampianarana ambaratonga faharoa, Rakotojaona Lalaharontsoa, omaly teny Ampefiloha. Mpianatra 400 no nanaraka ny horonantsary niaraka amin’ny mpanentana olon-tsahala avy ao amin’ny minisiteran’ny Tanora.

Ankoatra ny fandefasana sarimihetsika, hisy ny famelabelaran-kevitra mahasarika ny tanora manodidina ny ady amin’ny kolikoly, ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora, ny tsimokaretina VIH/Sida… Iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny minisiteran’ny Tanora ary ny mpiray ombon’antoka ny fisantarana ny hetsika. Heverina fa hitarina any amin’ny faritra hafa izany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.