Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo , Resaky ny mpitsimpona akotry : sangisangy tsy mamokatra afa-tsy disadisa eo amin’ny fiarahamonina

Tsy manaitra ny mpandalo intsony ny fanenjika ifanaovan’ny mpiasan’ny kaominina sy ny mpivarotra amoron-dàlana. Toy ny teny ieranan’ankizy manao fangalampiery sy araboka. Efa ela izay no nifanaovan’ireo mpivarotra sy mpandraoka ny entany ireo fangalampiery araky ny fahita ireny. Tsy sangisangy anefa, ny varotra antoky ny fiainan’ny andaniny, ny fandrarana an’izany fepetra entina ho fandaminana ny fiarahamonina eto amin’ny tanàna. Tsy mamokatra anefa, ny omaly ihany no miverina ny ampitso. Tsy misy  fiovana nefa rehefa ela ny ela samy leo ary lasa mifankahala ny roa tonta. Tsy hita izay homen-tsiny. Araka ny filazan’ny mpivarotra, ataony fiarovan-tena hoe ny fahantrana no maniraka azy ireo, ary mizaka ny hetraketrak’ireo iraky ny kaominina izay tsy manana antra mandraoka ny entany hono izy ireo. Ireto mpiasa ao amin’ny kaominina kosa dia vonton’ny iraka ka mihevitra ny tenany ho mpanatanteraka ny asa fandaminana. Indraindray dia rafitra ny fifandonana. Tamin’ny farany teo dia naratra mafy ny « gros bras » iray. Lasa ihany ny eritreritra mikasika ny di-dohan’ny tompon’andraikitra mpanapaka ao amin’ny CUA izay nifandimbimdimby toerana. Tsy mamokatra ity fomba fintantana ity no miteraka disadisa fotsiny eny an-dalambe, manginy fotsiny ny fandanim-bola amin’izany. Tsy hita ho jere-potsiny anefa ka avela hanaram-po samy hamaritra sy hibodo toerana eny amin’izay tiany ny mpivarotra, etsy sy eroa. Ambon’izany, asa izay manome alalana amin’ny fananganana tranokely fivarotana izay tsy namela itoeran’ny mpivarotra teo aloha nefa anorenana trano aty aoriana. Lasa kizokizo miteraka fahasahiranana ho an’ny mpandeha an-tongotra ka lasa miantraika koa eo amin’ny fifamoivoizan’ny fiara. Tsy ampy fitsinjovana ny ho avy ny fanaovana baranahana toy izany. Asa izay mahita tombony amin’izany.

Marina koa anefa fa tsy afaka mifehy ny làlan’ny entana amidy an-dalambe ny kaominina. Anjaran’ny fitondrana foibe izany. Tsy fantatra raha mampiditra vola ara-dalàna ao amin’

ny kitapom-bolan’ny fanjakana ireny entana miparitaka ireny. Ny hany tazana dia na ny fripy na ny vita Sinoa, samy entana avy any ivelany daholo. Izany hoe vola mivoaka fa tsy harena vokatra eto an-toerana. Ny dikany dia tsy fampandrosoana fa fitaizana fahantrana ireo varotra ireo izay miitatra isan’andro anefa ary mampitombo fahasahiranana eo amin’ny fandaminana ny firaisa-monina. Sehatra miteraka disadisa mbola hafa mety hamaky takotra koa.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.