Flash
Préc Suiv

Voafidy ho filohan’ny Paesfa Rajoelina Mialy

 Nanolotra tetikasa ho fametrahana vovonana afrikana ny fikambanana Fitia tamin’ilay fivoriana tany Inde, ny oktobra 2017. Tanjona ny hahafahana mamondrona hery sy fitaovana mba ho fampandrosoana ny sehatry ny « éthanol » ho angovo maitso hasolo ny arina avy amin’ny hazo. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny faharesen-dahatry ny fikambanana Fitia rahateo io tetikasa natolony io. Nankasitrahana sy notohanan’ireo firenena afrikana 12 ny tetikasa natolotry ny fikambanana. Nitohy amin’ny fikaonan-doha ny 5 sy 6 febroary teo,  tany Ghana  izany amin’ny alalan’ny « Pan african ethanol stoves and fuel alliance (Paesfa) ». Nisolontena an’i Madagasikara tamin’io fihaonana io Rajoelina Mialy ary voafidy ho filohan’io vovonana io. Haharitra telo taona ny fotoam-piasany. « Ho sahy hampitovy fomba fijery sy hiresaka amin’ny feo iray mba ho an’ny hoavin’i Afrika », hoy izy tamin’ny lahateniny. Nanteriny fa  anisan’ny tokony hisitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fametrahana ity programa ity isika.

Andraikitra sahanin’ny Paesfa ny fametrahana miaraka ny toekarena maharitra ho amin’ny tombontsoan’i Afrika, entina hametrahana izany ny fampiasana ny « éthanol » ho angovo ampiasaina amin’ny fandrahoana. Tsiahivina fa anisan’ny tanjon’ny Fitia ny fiahiana ny fahasalaman’ny vehivavy, ny renim-pianakaviana sy ny ankizy, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy ary ny fanohanana ny fahaiza-mitantana eo amin’ny tanora.

Randria

Une réponse à "Voafidy ho filohan’ny Paesfa Rajoelina Mialy"

  1. RAZAFIARISON Benjamina  13/02/2018 à 19:48

    GRANDE FELICITATION pour Mme Mialy RAJOELINA
    Misaotra an’ANDRIAMANITRA lehibe fa notsongaina maneran-tany ny vehivavy mahery fo Malagasy.
    Interessant tanteraka amin’ilay tetikasa ataonao izahay Madame Mialy RAJOELINA (lehiben’ny association FITIA)
    Ny antony dia efa niketrika io izahay fa tsy tafavoaka noho ny antony tsy fahafantarana olona
    Ny tetikasa neritreretinay hatao moa dia io famokarana ethanol d’alcool avy amin’ny managahazo maina (3 kg mangahazo maina ahazoana 2 litres d’ethanol)
    Mangataka fiaraha-miasa avy aminao izahay malagasy toa anao raha sitrakao, hiara hiasa, hampandroso, sy hanafoana tanteraka ny fanimbana ny tontolo iainana.
    Toerana ho vinaina hanaovana ny tetikasa : Anjozorobe
    Manantena valiny mahafapo avy aty aminareo izahay Tompoko
    Raiso Tompoko ny haja ambony atolotra anao

Les commentaires sont fermées.