Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hitodika kokoa amin’ny fanentanana ny vehivavy sy ny tovovavy eny amin’ny lycée sy ny oniversite ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny tomponandraikitry ny ONG La Vita PerTe momba ny fanentanana isorohana ny homamiadana. Nandritra ny taona 2017, nahatratra 350 ny fizahana manokana ny nono ary mihoatra ny 5 000 ny fitiliana tontosa tao an-toerana, araka ny fanazavan’ny dokotera Elisa Sala, tomponandraikitry ny ONG. Miara-miasa amin’ny fondation Akbaraly izy ireo. Tsapa fa nitombo kokoa ny vehivavy voan’ny aretina homamiadana satria efa manatona ny vahoaka ny toeram-pitiliana ny homamiadana, indrindra mpahazo ny vehivavy.

Hanatanteraka ny fetin’ny “mardi gras” ny mpianatra eny amin’ny sekoly frantsay sy ny sekoly tsy miankina anio. Manao fanovana endrika ny kilonga madinika ary mihinana “goûter” krepy mandritra ny fanamarihana ny hetsika. 47 andro mialoha ny fanamarihina ny fetin’ny Paska ny “mardi gras”. Ny alarobia aorian’ny “mardi gras” no manomboka ny fifadian-kanina ao anatin’ny karemy ho an’ny mpino katolika.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique