Flash
Préc Suiv

Fitantanana tanàna : misavorovoro ny ao Mahitsy

Fitantanana tanàna  : misavorovoro ny  ao Mahitsy

Niitatra ny olan’ny vahoaka sy ny kaominina ao Mahitsy noho ny fikasan’ny mpitantana hizara ny ampahany amin’ny tany amin’ny sisin’ny tsenan’ny kaominina ao an-toerana. Nisy fihetsiketsehana nanoherana ny fananganana trano saika hatao tamin’io toerana io,  ny 23 janoary teo, ka nahafantarana fa tsy an’ny kaominina ny tany. An’olon-tsotra, natolony hatao làlana miditra ao an-tsena. Efa nampiantsoin’ny lehiben’ny distrika momba ny raharaha ity ny solontenam-pokonolona, ny 26 janoary teo ary nampanantenainy ny hahatongavany eny, hikaroka vahaolana. Nanery ny vahoaka handray fanapahan-kevitra ny tsy fahatongavany nandritra ny herinandro ka nakan’izy ireo vadintany.  Nohamarinina ny momba io tany io sy ny tanim-panjakana hafa lasan’olona amin’ny fomba tsy mazava. Mety hitondra ny raharaha eny anivon’ny Bianco ny vahoaka satria miahiahy fanararaotam-pahefana sy kolikoly. Nihetsika ihany koa ny lehiben’ny tsena, Rakotondranaly Maminiaina Johnny, nampangain’ny ben’ny Tanàna ho fototry ny tsy fahatanterahan’ny tetikasa ao anivon’ny kaominina. « Tsy marina ny filazana ahy ho lehibe teo aloha ny tsena satria tsy mbola nandray taratasy manala ahy izany  aho. Efa an-taony ny karamako tsy voaloa noho ny lazaina ho fahasahiranan’ny kaominina  ka nifandaminana tamiko ny hanesorana azy tsikelikely amin’ny hofan’ny tsenan’ny kaominina. Tsy fifaninanana amin’ny ben’ny Tanàna ny fanampiako vahoaka fa finiavana hanasoa ny tanànako fotsiny », hoy ihany  izy. Ankoatra izany,  nambarany  fa  tsy mbola tafiditra tamin’ny raharaha maloto ny tenany.

Randria

Les commentaires sont fermées.