Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa amin’ny ONU : nanaovana tatitra ny vokatry ny nandalovan’ny rivodoza

Fiaraha-miasa amin’ny ONU  : nanaovana tatitra ny vokatry ny nandalovan’ny rivodoza

Anisan’ny nisongadina amin’ny fandalovan’ny iraky ny Firenena mikambana misahana  ny fiahiana ny maha olona (Unocha), John Ging, ny resaka  rivodoza. Voaresaka  teny Mahazoarivo ny  ezaka rehetra niatrehana an’i Enawo sy Ava farany teo. Ny fandraisana anjaran’ny mpiara-miombona  antoka iraisam-pirenena tao anatin’izany.  Nidera manokana ny fitondrana ny  vahiny. “Voafaritra sy voarindra ny asa natao  ary haingana ny niatrehana izany”, hoy ny avy amin ‘ny Unocha. Nanambara kosa ny avy amin’ny Pnud amin’ny alalan’ny solontenany eto amintsika, Violet Kakyomya fa  ohatra velona ho an’ny maneran-tany i Madagasikara. “ Tsy nisy ny fanilihana ny sehatra tsy miankina misahana ny maha olona tamin’ireny loza voajanahary ireny”, hoy izy.

Nankasitraka ny fanohanan’ireo iraisam-pirenena  kosa ny praiminisitra. Nambarany koa fa niezaka ny hampihenana ny voka-dratsin’ny rivodoza  ny fitondrana. Taorian’izany,  nitsidika ny trano fitehirizana entan’ny B NGRC, an-dalam-panamboarana ny rehetra.

Tsiahivina fa anisan’ny  rivodoza mafy indrindra tato anatin’ny 10 taona nandalo teto amintsika  i  Enawo.

Synèse R.    

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique