Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Mahasarika ny tanora ankehitriny ny handranto fianarana any ivelan’ny Nosy. Porofon’izany ny fahatongavan’ny mpitsidika maro nijery ny fampahafantarana ny oniversite na sekoly ambony vahiny, azo hanohizana fampianarana ambony, ny faran’ny herinandro lasa teo, tamin’ny education global expo. Nanana solontena tao ny avy any Etazonia, Canada, Alemana, India…Afaka nitafa mivantana amin’ireo sekoly maharesy lahatra azy ireo tanora malagasy. Nikarakara ny hetsika teny Antaninarenina ny Fan education agency.

Ravan’ny rambon-danitra ny efitranon-tsekoly iray naorin’ny Fram EC Ingetrimena, Zap Mahasoa, Dren Ihorombe. Efa ny varavarana sisa no kasaina hapetaka tamin’ity efitranon-tsekoly vaovao ity no izao narodan’ny rambon-danitra izao indray.

 

 

Les commentaires sont fermées.