Flash
Préc Suiv

hoy izy ireo …

 -Mike Mutebi (Mpanazatran’ny KCCA) : Tsara ny lalao amin’ny ankapobeny. Nisy fanafihana maromaro nataonay nefa  resy izahay. Nanantombo ny Cnaps tamin’ny lalao. Lasa nanaraka ny fomba filalaon’izy ireo ny mpilalaonay ka  tsy nety intsony. Hohatsaraina izany ary hanafika  kokoa izahay amin’ny lalao miverina, raha somary niaro tena  teto. Manana ny mpanohana sy ny mpjiery anay koa izahay rehefa any.

-Typeh (Mpanazatran’ny Cnaps Sport) :  Tsy tao amin’ny  heriny sy ny tanjany i Niasexe ary hita ny  tsy  fetezan’ny lalaony ka nosoloina an’i Foroche.  Tokony mbola  nampiditra baolina fahatelo isika saingy tsy nahomby izany. Hiezaka izahay ny hampiditra baolina betsaka.  Nahafaty izy  ireo  teto ka tokony hahatafiditra koa isika amin’ny lalao miverina.

 -Ando (Kapitenin’ny Cnaps Sport) : Manana haavo tekinika ambony ry zareo Ogandey. Hiezaka izahay amin’ny lalao miverina fa efa hita ny lesoka tamin’iny lalao mandroso iny. Tsy ho  moramora koa anefa izany satria nahatafiditra baolina izy ireo teto amintsika. Manome toky izahay  fa hanao ny  tsaratsara kokoa.

 Nangonin’i Synèse

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique