Flash
Préc Suiv

Hikaon-doha ny olom-boafidy frantsay sy malagasy

Izao vao ho tanteraka. Hatao eto Antananarivo amin’ny 5 hatramin’ny 7 marsa izao; ny fihaonambe sy fikaonan-dohan’ny olom-boafidy malagasy sy frantsay. Hodinihina amin’izany ny fomba  hiara-miasa hampiroboroboana sy  hampivoarana ny eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ahitana  ben’ny Tanàna sy loholona ary solombavambahoaka izany. Nampahafantarina  ny faran’ny  herinandro  teo,  tetsy Anosy, ny lohahevitra sy ny tanjona amin’izao fihaonana sy fikaonan-doha izao. Nitarika izany ny komity manokana handrindra izany  hetsika izany eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Anisan’izany ny hijerena ny filàn’ny Malagasy eny ifotony amin ‘ny fitantanana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Eo koa  ny tokony hitovian’ny tombontsoa, tsy hisian’ny mizana  tsindrin’ila eo amin’ny firenena roa tonta.

Tsiahivina fa tokony  ho notanterahina ny volana oktobra teo, teto amintsika izany hetsika sy fikaonan-doha izany, saingy nahemotra noho ny fipritahan’ny  valanarertina  pesta.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.