Flash
Préc Suiv

Fitondrana kitoatoa…

Fitondrana kitoatoa…

Tafaporitsaka ny fonja indray izany izao ny gadra.  Efa niseho izany tany Ambatondrazaka, Tsiafahy ary izao eny Antanimora izao indray. Tany aloha, efa niseho koa ny fitsoahan’ny  gadra  any Toliary sy Ikongo… Mbola ifampitadiavana hatramin’izao. Izany hoe ny eo tsy hita. Izao  indray efa lasa ny sasany. Ny tokony hiditra any am-ponja tsy tafiditra fa miriaria eny rehetra eny… Hanohy ny asa ratsiny… Tena fitondrana  sy fanjakana kitoatoa. Ho  hita eo  indray ny ho fanazavana momba ity raharaha ity ary hahenoana ny valin-teny mahazatra ataon’ny tompon’andraikitra fa efa mandeha ny fanadihadiana…

Tahaka izany koa ilay resaka nihoatra aorta telo be izao (000) amin’ny sorabola amin’ny volam-panjakana amin’ireny tsenam-baro-panjakana  ireny. Vidin’ny kodiarana ho an’ny fiara 4X4 iray, efa amin’ny miliara ny vidiny. Kojakoja amin’ny informatika koa tahaka  izany. Vidin’ny menaka sy akoho… Nihoatra aotra maromaro, tsy araka ny  tena vidiny ireo entana. Efa tamin’ny taona 2016 izany ambara fa hadisoana izany ary nipoitra tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny gazety. Vitavita ho azy tany izany raha tsy nivoaka tamin’ireny haino aman-jery ireny ? Voalaza ho hadisoana tsy nahy  teo amin’ny nanoratana azy… Volam-bahoaka amina miliara maro anefa izany. Vitan’ny fanazavana  tsotsotra  sy fiarovan-tena tsy maharesy lahatra ny maro. Tompon’andrikitra ambony no miteny izany. Tokony hiditra an-tsehatra hanadihady izany ny parlemanta  fa tsy avela ho azy amin’izao ny fomba tahaka izany. Eo koa ny Bianco sy ny fitsarana misahana  ny vola. Hahitana raha  tena tan-dalàna isika na tsia.  Sao mba ny fomba nanendrena izany tompon’andraikitra hisahana izany tsenam-baro-panjakana izany mihitsy koa  no diso… Anarana hafa ka tsy tokony  ho izy ny natao hisahana izany andraikitra izany ?

Tahaka izany koa ity fanamboaran-dalana eto an-tanàna ity. Vola ariana fotsiny. Lasan’ny orana  sy ny rano raha vao lasa ireo mpanamboatra. Kitoatoa sy zara fa vita ary vonjitavanandro… Iverenana amboarina isaky  ny aorian’ny  fiavian’ny orana ohatra ny etsy Andohatapenaka. Ampahany ihany amin’ireo kitoatoa ataon’ny mpitondra sy ny fanjakana izany…

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.