Flash
Préc Suiv

« Raharaha Houcine Arfa » : hotsaraina amin’ny « Raharaha kidnapping »

Fantatra fa hotsaraina amin’ny raharaha fakana an-keriny ilay vazaha frantsay, Houcine Arfa. Tokony ho nandeha tamin’ity herinandro ity ny raharaha, saingy nahemotra amin’ny 9 marsa indray izany, noho ny tsy fahampian’ny taratasin’ady, raha ny filazan’ny mpisolovava mandray an-tanana ny raharaha. Ity vazaha ity izay efa voaheloka telo taona an-tranomaizina noho ny fitazonana fitaovam-piadiana sy fikamban-jiolahy. Voarohirohy amin’ny fikasana haka an-keriny ihany koa izy.

Efa tafatsoaka any ivelany aloha i Houcine Arfa ka tsy afa-manatrika ny fitsarana azy. Fantatra fa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ny Bianco momba ny nahafatatsoaka azy ity teto amintsika. Raharaha izay nahavoatonontonona olona ambony eo amin’ny fitsarana, raha ny ampamoaka nataon’izy io, saingy tsy fantatra ny mahamarim-pototra azy. Aorian’ny fandihadian’ny Bianco no ahalalana ny tena marina raha ho tonga hatramin’ny farany izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.