Flash
Préc Suiv

Mahazoarivo : tratra ireo roa lahy mpisoloky tany

Mahazoarivo  : tratra ireo roa lahy mpisoloky tany

 Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly ireo roa lahy voarohirohy ho mpisoloky tany tratran’ny polisy teny Mahazoarivo, ny talata teo. Naharay fitoriana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely, ny alarobia 24 janoary 2018 momba ny fampiasana hosoka amina taratasy fanamarinana maha mpandova. Taty amin’ny volana janoary 2018 ny mpitory no nahafantatra ny fisian’izany taratasy izany ka nanatona ny polisy satria tsy nampanao izany taratasy izany. Rehefa natao ny famotorana, voamarina teo anivon’ny polisy fa hosoka avokoa ny fitombokase sy sonia hita amin’ilay taratasy. Nandeha ny fanadihadiana ka fantatra fa lehilahy iray no nampanao ity taratasy fanamarinana ny maha mpandova ity izay nataony tamin’ny anaran’ilay olona mpitory azy ireo. Nandeha ny fikarohana ka tratra teny Mahazoarivo ny iray raha nitolo-batana teny amin’ny polisy ilay namany.

J.C

Les commentaires sont fermées.