Flash
Préc Suiv

Vatofotsy Antsirabe : fatim-behivavy voatetitetika natao tanaty gony efatra

Vatofotsy Antsirabe  : fatim-behivavy voatetitetika natao tanaty gony efatra

Norasarasaina, avy eo natao tao anaty gony plastika efatra… Izany no nahitana ny fatin’ity vehivavy iray, tao Vatofotsy Antsirabe, omaly maraina. Vonoan’olona tena feno habibiana.

 Mampihoron-koditra! Nahitana fatim-behivavy tokony ho 35 taona eo ho eo notapatapahina efatra tao Vatofotsy Antsirabe, omaly alina. Nozarain’ireo nahavanon-doza ary nafatratra tanaty gony efatra mifatotra ny razana. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, lehilahy iray avy niasa hamonjy fodiana no nahita ireo gony mihosin-dra notaritarihin’ny alika omaly misasakalina. Nivehitra ity lehilahy ity fa hoe hena halatra nisy nanary no tao anatin’ireo gony ireo ka niantso polisy avy hatrany izy. Tonga teny an-toerana nanao fizahana ny polisy taorian’izay. Nosavaina ny gony ka hatairana ny an’ny rehetra raha nahita fa tsy hena fa fatim-behivavy no hita tao anatin’ireo gony ireo. Renim-pianakaviana miboridana tsy misy fitafiana intsony no hita tao anaty gony. Raha ny fahitana azy, mitokana amin’ny gony iray ny lohany, nohosorana vovoka ny tarehy ary nofatorana scotch ny vavany. Mitokana amin’ny gony iray hafa kosa ny vatany raha natokana gony iray hafa ny tanany sy ny tongony efa notapahina. Nandritra ny fizahana nataon’ny polisy hatrany no nahitana sarin’olona lehilahy sy vehivavy ary rongony miampy soratra maneho hafatra fitiavana tao amin’ilay gony nisy ny tongony roa. Navoaka tao anaty gony ny razana ary natambatra ka nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Atsimo ao Antsirabe. Nihoron-koditra tanteraka ny ankamaroan’ireo olona nahita ity vonoan’olona feno habibiana ity. Ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa mipetraka ao Antsirabe ihany ity renim-pianakaviana niharam-boina manan-janaka telo ity. Miasa alina izy ka ahina ho misy ifandraisany amin’izany izao vonoan’olona mahatsiravina izao.

 Efa nisy toy izao koa…

Renim-pianakaviana iray koa efa hita faty teo amin’ity toerana nahitana ny fatin’ity renim-pianakaviana hita faty omaly alina ity, ny volana jolay 2017. Notapatapahina ary natao tanaty gony koa ny fatin’ity niharam-boina tamin’ny taon-dasa ity. Toy izany koa ilay Mompera nandevina fatin’olona teo an-tokontaniny ao Antsirabe ihany. Vao tsy ela akory izay, nahitana vonoan’olona mahatsiravina toy izao koa tao Salafaina, fokontany Ambodimbonara, kaominina ambanivohitra Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny 24 janoary 2018. Lehilahy iray no hita faty notetitetehan’ireo nahavanon-doza tao amin’io tanàna io. Izao no vokatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, izay tsy voafehy intsony ny fiparitahany eto amintsika, hany ka tsy voafehy miaraka amin’izany koa ny habibiana tsy azo eritreretina toy izao. Rehefa ny toaka sy ny rongony no miaraka dia mahavita zavatra tsy eritreretin’ny saina ny olona, toy izao vonoan’olona feno habibiana izao. Aiza ny andraikitra raisin’ny “gouvernement de combat” manoloana izao herisetra feno habibiana izao ? Aoka tsy hifanilika andraikitra fa tompon’andraikitra voalohany ny fanjakana. Mihorohoro tsy misy toy izany ny mponina ao Antsirabe manoloana izao vonoan’olona izao. Manao ny asany ny mpitandro filaminana, saingy tokony hahetsika hanampy tosika ireo am-perinasa ireo mpitandro filaminana nalefan’ny fanjakana ao amin’ny orinasa AAA fa mandry andriran’antsy  hatrany ny mponina.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.