Flash
Préc Suiv

Namatrapatratra ny Me Olala : « fanjakana tsy tan-dalana ny misy eto »

Namatrapatratra ny Me Olala   : « fanjakana tsy tan-dalana  ny misy eto »

 Natsinkafon’ny Me Razafinjatovo Willy na i Olalah ny fomba  ratsin’izao fitondrana izao. “Mihemotra ny laharantsika eo amin’ny fanajana ny tany  tan-dalàna. Tsy  voahaja koa ny zon’olombelona . Isan’andro, ahitana  taratra  izany. Mahazo  laka ny tsy fanarahan-dalàna  sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana” ,  hoy izy, omaly.

Anisan’ny notanisainy sy ohatra amin’izany ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana. Teo, ohatra, ny didy noraisin’ny filankevi-panjakana amin’ny famerenana ireo mpiasan’ny kaompania Air Madagascar hiasa sy hisitraka  ny zony. “Tsy notanterahina anefa izany ary mbola mitohy hatramin’izao”, hoy ihany izy.

Tsy izany ihany fa ny nihatra amin’ny antoko Tim, tamin’ny taon-dasa, ary mitohy hatramin’izao  taona vaovao izao ny tsy fanajana  ny tany tan-dalàna. Samy efa namoahan’ny fitsarana didy avokoa  ny fitarainana napetrak’ity antoko  naorin-dRavalomanana ity saingy tsy noraharahana. Anisan’izany koa ny resaka trano etsy Ankorondrano…

Tsy mijery ny sosialim-bahoaka… 

 Ankoatra ireo ny tsy fanajana ny  zon’olombelona sy ny fahafahana  ary ny fahalalahana  na ny tsy fahazakana demokrasia.  Ohatra,  ny “Raharaha  Antsakabary”,   ny sakantsakana natao an-dRavalomanana  tany atsimon’ny Nosy.

 Manampy trotraka ireo koa anefa ny tsy fijeren’ny mpitondra ny fiainam-bahoaka, araka ny nambaran’ity mpahay lalàna ity. Nohitsiny fa maika amin’ny tombontsoany ireo mpitondra ireo. Manoloana izany, miantso ny  vahoaka ny Me Olalah  mba tsy hiandany na  hiaraka amin’izao  fitondrana izao intsony amin’ny fifidianana. “Tongava maneho ny safidintsika  fa tsy tokony hitantana firenena hatrany amin’ny taona 2030 izany  ireo. Aza mifidy voay hihinana antsika...”, hoy izy.

Synèse R.  

Une réponse à "Namatrapatratra ny Me Olala : « fanjakana tsy tan-dalana ny misy eto »"

  1. Nix  09/02/2018 à 09:03

    tiako be ilay fahasahiana tsy misy fiantsarambelatsihy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique