Flash
Préc Suiv

Mahitsy : lehilahy nanaparitaka vola sandoka tao an-trano filokana

Mahitsy  : lehilahy nanaparitaka vola sandoka tao an-trano filokana

 Miparitaka ny vola sandoka ao Mahitsy amin’izao fotoana izao. Efa trangana fahitana vola sandoka telo izay no hitan’ny zandary tao an-toerana. Ny 2 febroary 2018 lasa teo teny Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo ihany, lehilahy iray koa nanaparitaka sy nitazona vola sandoka nampisandaina 20 000 Ar miisa efatra, tratra tao amin’ny toerana filokana ao an-tsena. Notondroin’ny olona tao fa ity lehilahy tratran’ny zandary ity no nametraka ireo vola sandoka ireo. Nosamborin’ny zandary avy hatrany ka rehefa nosaivana teo no ho eo dia mbola nahatrarana vola sandoka hafa miisa dimy hafa indray tany am-paosiny. Niaiky  ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary, saingy tsy nety nanoro ny olona nanome azy ireo vola sandoka ireo sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Nentina teny amin’ny fampanoavana izy ny 3 febroary 2018 lasa teo ka naiditra am-ponja vonjimaika, saingy nahazo fahafahana vonjimaika indray, afakomaly.

Malaza ho toerana fanapariahan’ny olona vola sandoka eny Mahitsy, saingy tsy mikely soroka manao ny fikarohana ireo mpanao ratsy ny zandary. Tsiahivina fa olona telo no efa voasambotra ny faramparan’ny volana janoary 2018 izay nanaparitaka vola sandoka. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny olona hatrany ny zandary amin’ny fanomezam-baovao mba hamongorana ireo mpanao ratsy.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique