Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo , Resaky ny mpitsimpona akotry : Siny mitete

Toy ny sompitra makarakara noho ny fisian’ny lava-boalavo maro ny kitapo fitehirizana ny volam- panjakana, rovi-body tsy manana ny maha sompitra azy intsony afa-tsy ny anarany. Zara raha miraraka ao anatiny ny vola dia mitsininika mivoaka any amin’ny tsy izy. Eo moa ny fandrobana amin’ny fanodikodinana sy ny fandoarana mivantana tsy misy antony. Izay asaina mangalatra tsy matahotra ny ho tratra fotsiny izao. Fa misy fanao izay tsotra ihany nefa mikapa tsy mangina tsy mamela fery na faran’izay mitera-doza, mikiky ao anaty maizina mitsentsitra ny mamy toy ny fositra mihinam-pary.

Hetraketraka karazany roa no mamotipotika ny volam-panjakana. Na fitsikombakombana amin’ny fanodikodinana ny làlany raha mbola tsy tafiditra an-tsompitra akory ny vola tokony ho arotsaka na teti-dratsy eo amin’ny famoahana azy amin’ny fandaniana mody ara-dalàna nefa nandoavam-bidy midangana tsy ara-drariny. Ny vola ampidirina anifisana, ny vidin’ny fandaniana atevenina. Ny fanimbihana eny amin’ny sampam-panjakana mpanangona hetra sy haba no misy fanaovana an’izany, ny fampivontosana ny vidin-javatra kosa dia manerana ny andry sy sampa-panjakana rehetra rehefa mivanga fitaovana na manarama fanampiana amin’ny fanatanterahana raharaha. Ny fanodikodinana lehibe dia any amin’ny fanaovana tsikombakomba eo amin’ny sehatry ny tsena mila fanaovana antso mialoha. Nefa tsy latsaky ny fanimbana vokatry ny teti-dratsy eo amin’izany tsenabe izany, ny loza ateraky ny tsena kely andavanandro izay ifanaovan’ny sampam-panjakana amin’ ny « fournisseur » izay samy manana ny mahazatra azy. Homamiadana hatry ny ela nifampitaizan’ny ambony sy ny ambany izay samy mikipy mody tsy mijery ny imbika ataon’ny iray araky ny tandrify azy, fa amin’izao fotoana izao, araky ny vaovao nivoaka ampahibemaso dia niitatra any amin’izay tsy izy ny fanao. Tsy vitan’ny fampitomboana avo roa heny ny vidin’ny fandaniana fa azo lazaina efa lany henatra no tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra misy intsony. Diso tsipelina hono ny soratra mitatitra fividianana « pneus ho an’n’ny 4X4 » mihoatra ny 2 milliara. “0” firifiry no nampiana tsy nampoizina? Tsy iray na roa ny fahadisoana toy izany. Moa va tsy akotry no be noho ny fotsim-bary !!! Tsy afaka mitsimpona an’izany hono ny sampana miandraikitra ny fanaraha-maso an’izany, mbola ny any amin’ny dimy na efatra taona tany aloha no dinihany amin’ izao fotoana izao. Jerem-potsiny toy ny tany nahalavona izany ity loza manimba ny hozatra eo amin’ny fampiodinana ny raharaham-pirenana ity.

Léo Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique