Flash
Préc Suiv

Haody

Kolontsaina hampandroso

Ekena, sarotra ny mamaritra ny hoe « mandroso », rehefa hohasarotina. Mora kosa anefa rehefa hotsorina. Na izany aza, ny mahantra nanjary nanana, fandrosoana. Ny mpianatra nisondrotra kilasy, fandrosoana, sns. Ny dihy soroka nanjary dihim-pitombenana, fandrosoana ve ? Raha ny faritra misy ireo eo amin’ny vatan’ny olombelona (soroka mankeo amin’ny fitombenana) no jerena, tena tsy fandrosoana fa fidinana !

Ohatra ihany ireo hoenti-manala ny saringodringotra mahazo ny sain’ny Malagasy amin’ny fikatsahana ny kolontsaina mampandroso sy hampandroso. Raha hay ny manasongadina izany eo imason’ny Malagasy sy manoloana ny fanatontoloana… Ho tafiditra ao anatin’ny « fandrosoana » ny fanorona, katro, valiha, latsitanana, varibotry, sns.

Ary toa kolontsain’ny Ntaolo avokoa izy izany ? Eny ! Izay afaka mampifanaraka ny kolontsainy amin’ny vanim-potoana misy ihany no mety handroso. Diniho ange e ! Ry zareo Sinoa, tsy mba nanary ny maha izy azy, aiza ho aiza izy izao ? Na ireo firenena lazaina fa matanjaka amin’ny lafiny maro aza, matahotra manoloana ny zava-bitan’ny Sinoa. Miainga amin’izay heverina fa bitika indrindra toy ny sakafo, zovy ny firenena tsy ahitana « lasopy sinoa » ? Raha ny zavatra goavana indray, anisan’izany ny vokatry ny indostria sy ny teknolojia, sns. Firenena iza no tsy mampiasa ny fiarakodia vita sinoa ? Ny ankamaroan’ny ordinatera sy ny kojakojany saika ahitana ny soratra « made in China ».

… Inona no manakana ny Malagasy sy i Madagasikara tsy hahavita tahaka ireny ? Ilay toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany ! Fitiavan-tena, fialonana, fanaovana « Rajakom-bazaha », tsy fisian’ny tahotra an’Andriamanitra, sns.

HaRy Razafindrakoto

Une réponse à "Haody"

  1. Doly Odéamson  10/02/2018 à 09:22

    Misaotra Andriamatoa HaRy Razafindrakoto
    Doly Odéamson

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique