Flash
Préc Suiv

Fisolokiana asa any Maorisy… : saron’ny polisy i Pasitera

Fisolokiana asa any Maorisy…  : saron’ny polisy i Pasitera

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely ny lehilahy iray fantatra amin’ny anaram-bosotra hoe i Pasitera, 49 taona, monina eny Ambohimiarina Alakamisy Fenoarivo noho ny fisolokiana avolenta. Araka ny fanazavan’ny polisy, nilaza ho mahavita mandefa olona hiasa any amin’ny orinasa any Maorisy sy Seychelles ity lehilahy ity. Nolazain’ity mpisoloky ity fa misafidy izay toerana tiany handehanana miasa ireo olona handeha. Lehilahy roa no niharan’ny fisolokian’ity lehilahy ity volana desambra 2017 teo ka nahazoany vola 3 400 000 Ar avy izy roa lahy mba hikarakarana ny antontan-taratasy ilaina rehetra. Nentiny tamina tambajotra iray mpandefa olona hiasa any amin’ireo Nosy ireo izy roa lahy ary nampanantena koa izy fa hamerina ny volan’ireto olona ireto raha toa ka misy ny tsy fahalasanan’izy ireo. Natao tokoa ny fitsapam-pahaizana sy fizahana teo anivon’ilay tambajotra mpandefa mpiasa ka fantatra taorian’izay fa tsy azo halefa izy roa lahy. Noho izany, nangataka ny hamerenana ny volany izy ireo, saingy efa nitsoaka i Pasitera sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Niezaka niantso ny telefaonin’i Pasitera izy roa nefa tsy noraisiny mihitsy. Nametraka fitoriana ireo niharan’ny fisolokiana ka noraisim-potsiny i Pasitera.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.