Flash
Préc Suiv

Fanahiana krizim-pifidianana : mitotototo maka hevitra ny CFM

Fanahiana krizim-pifidianana  : mitotototo maka hevitra ny CFM

Fanahiana krizim-pifidianana

: mitotototo maka hevitra ny CFM

 Manahy mafy ny hisehoan’ny korontana  ? Malagasy miara-miainga tamin’ny alalan’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, ny avy amin’ny Holafitry ny mpanao gazety,  ny mpanolontsain’ny filoham-pirenena, Rakotonirina Manandafy,  ny avy amin’ny FES… Nihaona  sy noraisin’ny eo anivon’ny Filankevitry ny  fampihavanana (CFM)  avokoa  izy  ireo tamin’ity herinandro ity. “Nampahafanatrina azy ireo ny momba ny fampihavanam-pirenena.  Nohenoina koa  ny heviny. Eo koa ny momba ny fifidianana ho avy.  Tsy mahazaka krizy intsony ny firenena  sy ny  vahoaka. Efa nisy dingana vita amin’ny fametrahana ny demokrasia ka hirosoana amin’ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana. Ilaina arovana izany”, hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, omaly. Nambarany fa  mba ho tontolo milamina ny mialoha  sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. “Mba  ho eken’ny rehetra sy ao anatin’ny mangarahara  izany”,   hoy ihany izy.

Nampifanatona ny mpitantana eto Antananarivo

Tsiahivina  fa anisan’ny dingana  ataon’izy  ireo, ankoatra izao fihaonana na koa fanatonana ny mpanao politika  izao, ny fidinana ifotony amin’ny fampahafantarana ity rafitra iray mivoy ny fampihavanam-pirenena  ity. Anisan’ny efa nataon’ny mpikambana eo anivon’ny CFM, Antananarivo,  ny fanelanelanana sy ny fampifanatonana ireo mpitantana eto an-dRenivohitra. Anisan’izany ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao,  sy ny prefet, ny Jly Ravelonarivo  Angelot, ary ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rakotonanahary Ndranto.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique