Flash
Préc Suiv

Basikety – «Amboaran’ny filoha» : hidona ny Cosmos sy ny Douane

Basikety – «Amboaran’ny filoha»  : hidona ny Cosmos sy ny Douane

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio zoma ireo ekipa miatrika ny fifanintsanana hiadiana ny “Amboaran’ny filoha”, taranja basikety, ho an’ny faritra avaratra rehefa avy niala sasatra, omaly alakamisy.

Hidona eo amin’izany dingana izany ny samy Diana. Ahitana ny Cosmos sy ny AS Douanes. Heverin’ny rehetra fa tsy hahatohitra an-dry zareo Cosmos ireto rahalahiny, amin’ity. Raha ny zava-bitan’ny roa tonta teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona mantsy, manantombo be ny Cosmos, izay nitana ny laharana voalohany, tao amin’ny sokajy “A”, ary nanana isa 6. Fahefatra kosa, tao amin’ny vondrona “B”, ny Douanes, tsy  nahazo afa-tsy isa 3 monja. Raha tsiahivina ny vokatry ny fifanintsanana farany natao ny alarobia lasa teo, mbola nisongadina ny Cosmos, nandresy ny DCA, tamin’ny isa mazava 88 no ho 63. Tamin’ny isa tery 73 no ho 70 kosa ny nanilihan’ny AS Chicago ny ABBS avy any Sava.

Tsiahivina fa hisolo tena ny faritra avaratra eo amin’ny fiatrehana ny “Play-off”, hotanterahina any Toliara ny 17 ka hatramin’ny 25 marsa ho avy izao, ireo ekipa roa miatrika ny famaranana.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.