Flash
Préc Suiv

Antoko politika maromaro… : « avoahy ny lalam-pifidianana sy ny daty…. »

Antoko politika maromaro…  : « avoahy ny lalam-pifidianana sy ny daty…. »

 Namoaka fanambarana ny antoko politika maromaro, omaly, maneho fitakiana manoloana izao  raharaham-pirenena izao. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny  momba ny fifidianana,  tokony hatao amin’ity  taona ity.

 Ho an’ny governemanta, avoahy ny datim-pifidianana  sy ny lalàm-pifidianana. Ho  an’ny Ceni, apetraho   ny maha andrimpanajakana mahaleo  tena anareo ”, hoy ny  fanambarana nosoniavin’ny mpitarika antoko politika maromaro.  Anisan’izany Andrianainarivelo  Hajo, Beriziky Omer. Eo koa Raharisaina Hery sy ny PLD, tarihin-dRabeharisoa Saraha. Manampy izany ny PDCM  sy ny PSD amin’ny alalan’i Bezaza Eliana.   Nohitsin’izy  ireo fa ho tompon’andraikitra amin’ny mety  hitranga eto amin’ny firenena ny mpitondra. “Atsaharo  koa ny fandrebirebena  saim-bahoaka  ataonareo io” , hoy ihany izy ireo.

Ankoatra izany, nanterin’ny fanambarana  fa tsy ilaina izany fifanarahana politika izany. “Tsy firenena anaty rotaka isika ary tsy azo ekena ny  tsimatimanota izany”, hoy ihany izy ireo.

Kandidà mahafeno fepetra….

Manampy izany, miantso ny hery politika rehetra sy ny olom-pirenena ireto antoko politika ireto  mba hijery sy handamina  ny kandidà  harotsany hofidina hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.  “Mba olona mahafeno ny fepetra  sy azo fidiana izany kandidà izany”, hoy ihany izy ireo.

Hatreto anefa,  tsy mbola manangasanga  ny fivoriana  tsy ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta :  solombavambahoaka sy ny loholona handinika izany volavolan-dalàna momba ny fifidianana izany.  Efa  niely ny feo fa tokony  ho amin’ny antenantenan’ity volana  febroary  ity. Andrasana ny mety ho tohiny. Miankina amin’izany fitsipi-dalao izany ny ho avin’ny fifidianana sy ny fotoana na daty hanaovana ny fifidianana.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique