Flash
Préc Suiv

Andrianainarivelo Hajo : « tsy hihavana isika raha tsy voahaja ny lalàna »

Andrianainarivelo Hajo  : « tsy hihavana isika raha tsy voahaja ny lalàna »

Hentitra sy tsotra nefa mazava.  « Ilaina  ny fampihavanam-pirenena nefa fampihavanana tokony  hitovian’ny Malagasy rehetra. Anisan’ny tokony hitoviana ny farahan-dalana. Ilaina ny fanarahan-dalàna raha tiana ny  hipetrahan’ny fampihavanam-pirenena maharitra », hoy ny  filoha nasionalin’ny antoko Malagasy  miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo,  taorian’ny fihaonany amin’ny Komitin’ny  fampihavanana  (CFM), tetsy Ampefiloha, omaly.  Nanteriny fa ilaina izany ary tokony ho  ao anatin’ny fanarahan-dalàna  koa  aza ny fampihavanana entin’ny CFM.  « Mba tsy hamorona zavatra na hetsika ivelan’izany.  Nofinofy  ny fampihavanana raha tsy manaja lalàna velona isika,  indrindra ny fanajan’ny mpitondra  izany », hoy ihany Andrianainarivelo Hajo.

Aoka homena  sehatra ny  rehetra…

Notsiahiviny fa antoky ny tsy fandrosoan’ny firenena ny mpitondra amin’ny maha tompon’andraikitra azy eo amin’ny toerany amin’izao fotoana izao. Tompon’andraikitra amin’ny  fandraisana fepetra rehetra izy ireo ary  tahaka izany koa ireo nitondra  teo aloha. « Tsy nahatongavana amin’ny fampihavanam-pirenena avokoa izany. Manindry izahay fa tsy hivahana izany ny Malagasy raha tsy misy ny fanajana lalàna. Aoka hitovy ny fitantanana ny firenena sy  ny  fanomezana sehatra ny Malagasy tsirairay eo amin’ny lafiny sosialy sy politika  ary toekarena », hoy ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.