Flash
Préc Suiv

30 taona ny CNRITE : mbola olan’ny fikarohana ny banky hanohana azy

30 taona ny CNRITE  : mbola olan’ny fikarohana ny banky hanohana azy

Hankalaza ny faha 30-taona nijoroany ny ivontoeram-pirenena momba ny fikarohana misahana ny indostria sy ny teknolojia (CNRITE) amin’ity taona ity. « Efa manana lohatenim-pikarohana 47 efa nankatoavin’ny « Conseil scientifique de l’orientation (CSO) ny ivontoerana ary miandry ny sora-bola hatokana amin’ireo tetikasa ireo », hoy ny talen’ny CNRITE, Rafanomezantsoa Roger Marie. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha avy any Afrika Atsimo momba ny fanondranana letisia. Hatsaraina amin’ny fampiasana teknolojia ny asa rehetra ka ho mpiray ombon’antoka ny mpandraharaha roa tonta malagasy sy avy any Afrika Atsimo.

Lesoka iray lehibe mbola tsy mampandroso ny fikarohana koa ny tsy fisian’ny banky vonona avy hatrany hamatsy vola ny voka-pikarohana ka hampiharina eny amin’ny orinasa. Tokony hiara-hiasa ireo telo ireo hampahomby ny fikarohana ka hitondra fampandrosona sosialy sy toekarena. Efa manana « brevet » 20 ny ivontoerana hatramin’izao ka lehibe amin’ireny ny fanodinana ny rano maloto avy kirakirain’ny orinasa samihafa ho madio tsy hanimba ny tontolo iainana. Betsaka ny orinasa malagasy sy vahiny efa nampiharana izany ary hita fa nahomby ny vokatra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.