Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zaka tsara

Hakana lesona

Nomarihina, omaly, ny faha-9 taon’ny « Raharaha 7 febroary ». Tokony hahay haka lesona amin’izany ny rehetra.  Tantara iny ary samy tompon’andraikitra  ny andininy sy ny ankilany. Antony tokony hanaovana ny fanadihadiana manokana  sy mahaleo tena izany raha mbola tiana ny hikaroka ny marina sy ny tao ambdika rehetra. Ny niantombohan’iny raharaha iny. Ireo sary sy feo  ary fivoriana tetsy sy teroa. Ny fitaovam-piadiana nampiasaina. Eo koa ny fijoroana vavolombelona samihafa, toy ny nataon’ilay kolonely iray. Tahaka izany koa izao hiatrehantsika ny fifidianana izao. Tokony hahay haka  lesona isika amin’izao zava-misy iainana  eto amin’ny firenena  izao. Ho tonga  saina isika amin’ny fitiavan-tena sy ny raharaha maloto nataon’ny sasany amin’izy ireo. Mitaky fandraisana andraikitra sy fahatsapan-tena izany ka anisany ny fandehanana mifidy…  Hakana lesona ary hanovana ny  tantara.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.