Flash
Préc Suiv

Tsy fandriampahalemana : mihorohoro amin’ny asan-jiolahy ny distrikan’Andramasina

Tsy fandriampahalemana : mihorohoro amin’ny asan-jiolahy ny distrikan’Andramasina

 Miverina  indray ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy filaminana any amin’ny distrikan’Andramasina. Tato  anatin’ny andro vitsivitsy, mihorohoro ny mponina amin’ny fanahiana asan-jiolahy. Niseho izany,  afakomaly niainga amin’ny alalan’ny andian’olona naka  an-keriny kamiao tao anelanelan’ny kaominina Ambatofavalo,   Atsimondrano sy ny kaominina Mandrosoa, Andramasina.  “Araka ny  fampitam-baovao voaraiko, andian’olona 14 izy ireo ary ahina mety nitondra fitaovam-piadiana”, hoy ny  ben’ny Tanànan’Alarobia Vatosola, AndramasinaMifamahofaho  tanteraka ny vaovao.  Nambarany  araka ny fitantaran’ny mponina ao Ambatofahavalo fa nisy andiana  olona nandeha fiara 4×4 fotsy  miisa roa  nandalo tao  an-tanànan’izy ireo.

Fakana  an-keriny kamiao

Mpamily anefa sisa hitan’izy ireo rehefa   niverina ilay fiara ny hariva.  “Tsy fantatra ny nalehan’ireo  olona maromaro tao anatiny.  Mbola miambina ny mponina amin’izao fotoana izao” ,  araka ny fitantarany ihany. Mifandray amin’ilay ambara fa fakana an-keriny ilay kamiao  ve  izany ? Na  izany  aza,   nampandre izany vaovao rehetra izany amin’ireo tobin-janaparitry ny zandary akaiky azy ity ben’ny Tanàna ity. Anisan’izany ny  any amin’ny fokontany Antovontany, Alarobia Vatosola  ary nampita izany amin’ny zandary namany manerana ny distrikan’Andramasina indray izy ireo avy eoTeo  koa ny fidiran’ny mponina an-telefaonina amin’ny onjampeo Kolo TV nitantara izany vaovao izany.

Efa  nisy fanafihana tao Antsahakely Mangabe…

 Nanamafy ireo vaovao ireo ao amin’ny tambajotran-tseraserany ny ben’ny Tanànan’Alarobia  Vatosola, fantatry ny maro amin’ny anarana “Bina”. Tsiahivina fa nialoha izao tranga mampiahiahy ny mponina any amin’iny faritra iny izao,  efa nisy koa andiana jiolahy nikasa hanafika ao Ambodirina Antsahakely Mangabe, kaominina Sabotsy Manjakavahoaka ny herinandro  teo.  Tsy misy tobin-jana-paritry ny zandary rahateo any an-toerana fa any Mandrosoa. ..Araka izany, mailo tanteraka ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao ary  miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra. Na izany  aza anefa, mety  ho mifandray tendro amin’ny ao an-tanàna ihany ny olon-dratsy ka tokony hanara-maso  izany ny mponina.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique