Flash
Préc Suiv

Toamasina : miparitaka ny rongony sy ny rivotril

 Mirongatra izaitsizy ny zava-mahadomelina arahina fampifangaroana karazam-panafody mahalasa adala ao Toamasina. Ireo tanora eo anelanelan’ny 17 taona ka hatramin’ny 30 taona no betsaka mpampiasa azy. Nisy ny hetsika nataon’ny polisy ka olona efatra indray voasambotry ny polisy. Voalohany tao Andranomadio, tovolahy iray 30 taona nahatrarana rongony milanja 50 kg izay mbola miaraka amin’ny tahony sy raviny. Raha ny fanazavana voaangona, efa mpanaparitaka ireto karazana zava-mahadomelina ireto no sady mpifoka ity tovolahy tratra ity. Fa tao Ankirihiry Toamasina, telo mianadahy ka tovovavy vao 17 taona ny iray raha 22 sy 26 taona kosa ireo roa lahy niaraka taminy nahatrarana rongony miisa 12 fonosana miaraka amin’ny fanafody rivotril. Nilaza izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa afangaro rongony sy toaka ilay fanafody mba hampiakatra tsara ny tanjaky ny maha zava-mahadomelina azy.  Tsy tompon’ny tenany intsony izay mifoka na misotro ampiarahana amin’ity fanafody ity. Ny famotoran’ny polisy  hatrany no nahalalana fa efa betsaka amin’ireo mpivarotra sakafo miasa anivon’ny sekoly ao Toamasina no ahitana ranom-boankazo mifangaro amin’ity fanafody ity sy feno mpivarotra zava-mahadomelina. Aiza ny fandraisana andraikitry ny Cisco manoloana izany?

Sajo

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique