Flash
Préc Suiv

Tale mpanatanteraky ny Ortana, Razafinavalona Harimisa : «mampiavaka an’Analamanga ny tantara sy ireo vohitra masina…. »

Tale mpanatanteraky ny Ortana, Razafinavalona Harimisa  : «mampiavaka an’Analamanga ny tantara sy ireo vohitra masina…. »

Nivahiny  tao amin’ny onjampeo Alliance  92 amin’ny alalan’ny fandaharana « Ambarao » ny tale mpanatanteraky ny Ofisim-paritry ny fizahantany, Analamanga  (Ortana), Razafinavalona Harimisa, omaly. Nasongadiny tamin’izany ny tontolon’ny fizahantany sy ny tombony ao anatin’izany. Ampahany amin’ny resadresaka…

 « Dimy taona  izahay niezaka nampahafantatra an’ Analamanga amin’ny  alalan’ny tsidi-bohitra.  Mampiavaka an’Analamanga  ny tantara. Anisan’izany ireo vohitra  masina miisa 12 manodidina  an’Antananarivo.  Amin’ny maha Renivohitra azy koa, hita eto avokoa ny kolontsain’ny  faritra  22…  Harena  sy tolotra eto Analamanga amin’ny fizahantany  izany », hoy  izy.   Nanteriny fa misy ny tantara fa eo  koa ireo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy monina  eto  ary tolotra ampahafantarana an’Analamanga  koa  izany. « Hita amin’izany ireo hetsika samihafa ka ahitana ireo mpanakanto avy amin’ny  faritra manao fampisehoana eto. Samy harenantsika avokoa izany », hoy ihany izy. Tsy  izany ihany anefa  fa eo koa ireo vahiny monina sy mandalo eto Analamanga, manana ny kolontsainy koa  izy  ireny. Noraisiny ho  ohatra ny  sakafo  sinoa, indianina… « Anisan’ny harenantsika  eto sady tolotra amin’ny fizahantany mampivaka an’Analamanga daholo izany »,  hoy ity tale ity.

Anjarantsika ny maneho ny  harenantsika…

Notsiahiviny fa anisan’ny fampahafantarana  ny fizahantany ireo  hetsika  tohanan’ny Ortana.  Noraisiny ho ohatra ny hetsika  momba ny jazz  na koa ireo mpanakanto manao fampisehoana na hetsika ara-kolontsaina hafa. Eo amin’ny iraisam-pirenena  kosa, nambarany fa efa maro ireo  mahalala an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny natiora sy  ny zava-boahary ka anisan’ny manintona azy ireo  ho avy eto zany. « Anjarantsika ny maneho ny harenantsika amin’izy ireo rehefa tonga eto ka hampahafantarana  ireo vohitra masina ireo. Ny tantaran’ny mpanjaka sy ireo vakoka mampiavaka antsika… » hoy izy. Tsy mitombina ny fomba fijery fa fandalovan’ny mpizahantany Analamanga.  Nanteriny fa efa mizahatany  rehefa matory 24 ora  eto ireo vahiny mpizahantany. “Misy koa ireo harena  na  zavatra hafa eto Analamanga ihany no ahitana azy raha mitaha amin’ny faritra hafa. Eo koa  ny  asa tanana…”,  hoy ihany izy.

Miteraka asa sy fampandrosoana

Entanina koa anefa ireo  tanora mba hahalala fa eny an-dalana  rehetra eny ny harenantsika eo amin’ny tontolon’ny fizahantany ho an’ny eto  Analamanga. Anisan’izany ny tafo tanimanga, ny tsangambato,  ny firafitry ny tanàna sy ny trano, ny tohatohabato, koba sy ny toeram-pisakafoana madinika… “Na sahirana  aza isika,  tokony  hijery lavitra amin’ny  fizahantany… Sehatra tokony  hampandroso antsika  io nefa tsy mbola manintona ny tanora sasany satria tsy fantany…  Zava-baovao rahateo ny fizahantany ary tsy nobeazina tamin’izany  isika.  Na izany aza anefa, efa manomboka miaina izany isika. Ohatra ireny any Mahajanga ireny rehefa  volana aogositra. Tonga any avokoa ny avy aty Analamanga ary tsy mahita toerana ipetrahana raha tsy manao famandrihana.  Ezahina  ny handalantsika izany kolontsaina mizaha tany. Miteraka famoronana asa izany…”, hoy izy. Nentaniny ny  rehetra hampahafantatra ny faritra misy azy  avy mba hahatongavan’ny mpizahatany ka  hiteraka fampandrosoana izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.